< Rota 4 >
1 Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
Ana cikin haka Bowaz ya haura zuwa ƙofar gari ya tafi ya zauna a can. Sa’ad da dangi mai fansan da ya yi zance ya iso, Bowaz ya ce, “Zo nan abokina ka zauna.” Saboda haka ya ratso ya zauna.
2 Dia naka folo lahy tamin’ ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
Bowaz kuwa ya kira dattawa guda goma na garin ya ce, “Ku zauna a nan,” suka kuwa zauna.
3 Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.
Sa’an nan ya ce wa dangin nan mai fansa, “Na’omi, wadda ta dawo daga Mowab, tana so ta sayar da filin da yake na ɗan’uwanmu Elimelek.
4 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
Na ga ya kamata in jawo hankalinka ga batun in kuma ba da shawara ka saye shi a gaban waɗannan da suke zazzaune a nan da kuma a gaban dattawan jama’a. In kana so ka fanshe shi, to, sai ka yi. Amma in ba za ka yi ba, sai ka faɗa mini, don in sani. Gama babu wani mai izinin yin haka sai kai, ni ne kuwa na biye.” Sai ya ce, “Zan fansa.”
5 Dia hoy Boaza: Amin’ izay andro ividiananao ny tany amin’ ny tànan’ i Naomy, dia amin’ i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany ianao.
Sa’an nan Bowaz ya ce, “A ranar da ka saya filin daga Na’omi da kuma daga Rut mutuniyar Mowab, ka sayi gwauruwar marigayin nan, domin ka riƙe sunan marigayin da kuma kayansa.”
6 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
Da jin haka, sai dangin nan mai fansa ya ce, “To, ba zan iya fanshe shi ba don kada in yi wa nawa mallakar rauni. Za ka iya fanshe shi wa kanka. Ni dai ba zan iya ba.”
7 Ary ny amin’ ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ ny namany; dia vavolombelona teo amin’ ny Isiraely izany.
(To, a kwanakin can a Isra’ila, domin a tabbatar da fansa da kuma musayar da mallaka, mutum zai cire takalminsa ya ba wa ɗayan. Wannan ita ce hanyar tabbatar da al’amarin a hukumance a cikin Isra’ila.)
8 Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’ i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
Saboda haka dangin nan mai fansa ya ce wa Bowaz, “Saye shi wa kanka.” Sai ya cire takalminsa.
9 Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.
Sa’an nan Bowaz ya yi shela wa dattawa da kuma dukan mutane, “A yau ku ne shaidu cewa na saya daga Na’omi dukan mallakar Elimelek, Kiliyon da kuma Malon.
10 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
Na kuma ɗauki Rut mutuniyar Mowab, gwauruwar Malon a matsayin matata domin sunan mamaci da kuma mallakarsa yă ci gaba, domin kada sunansa yă ɓace daga cikin iyali ko daga tarihin gari. A yau ku ne shaidu!”
11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
Sai dattawan da kuma dukan waɗanda suke a ƙofar suka ce, “Mu shaidu ne. Bari Ubangiji yă sa macen da take zuwa cikin gidanka ta zama kamar Rahila da Liyatu, waɗanda tare suka gina gidan Isra’ila. Bari ka sami martaba a cikin Efrata ka kuma zama sananne cikin Betlehem.
12 ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.
Ta wurin’ya’yan da Ubangiji zai ba ka ta wurin wannan mace, bari iyalinka yă zama kamar na Ferez, wanda Tamar ta haifa wa Yahuda.”
13 Ary Boaza dia nampakatra an’ i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’ anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
Sai Bowaz ya ɗauki Rut ta kuwa zama matarsa. Sa’an nan ya kwana da ita, Ubangiji kuma ya sa ta yi ciki, ta haifi ɗa.
14 Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.
Mata suka ce wa Na’omi, “Yabo ya tabbata ga Ubangiji, wanda a wannan rana bai bar ki ba tare da dangi mai fansa ba. Allah yă sa yă zama sananne a dukan Isra’ila!
15 Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
Zai sabunta rayuwarki yă adana ki a tsufanki. Gama surukarki wadda take ƙaunarki wadda kuma take mafi kyau gare ki fiye da’ya’ya maza bakwai, ta haife shi.”
16 Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
Sai Na’omi ta ɗauki yaron, ta kwantar da shi a cinyarta ta kuma kula da shi.
17 Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
Matan da suke zama a wurin suka ce, “Na’omi ta sami yaro.” Suka kuwa ba shi suna Obed. Shi ne ya haifi Yesse, mahaifin Dawuda.
18 Ary izao no taranak’ i Fareza: Fareza niteraka an’ i Hezrona;
Ga asalin zuriyar Ferez. Ferez shi ne mahaifin Hezron,
19 ary Hezrona niteraka an’ i Rama; ary Rama niteraka an’ i Aminadaba;
Hezron ya haifi Ram, Ram ya haifi Amminadab,
20 ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
Amminadab ya haifi Nashon, Nashon ya haifi Salmon,
21 ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;
Salmon ya haifi Bowaz, Bowaz ya haifi Obed,
22 ary Obeda niteraka an’ i Jese; ary Jese niteraka an’ i Davida.
Obed ya haifi Yesse, Yesse kuwa ya haifi Dawuda.