< Romana 8 >
1 Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
Nincsen azért már semmi kárhoztatásuk azoknak, akik a Krisztus Jézusban vannak, akik nem test szerint járnak, hanem Lélek szerint.
2 Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.
Mert az élet Lelkének törvénye megszabadított engem Jézus Krisztus által a bűn és halál törvényétől.
3 Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,
Mert ami a törvénynek lehetetlen volt, mivel erőtlen volt a test miatt, Isten az ő Fiát elküldte a bűnös testhez hasonló formában a bűn miatt, és kárhoztatta a bűnt a testben.
4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
Hogy a törvény igazsága beteljesüljön bennünk, akik nem test szerint járunk, hanem Lélek szerint.
5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
Mert akik test szerint élnek, a test dolgaira gondolnak, akik pedig Lélek szerint élnek, a Lélek dolgaira.
6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
Mert a test törekvése halál. A Lélek törekvése pedig élet és békesség.
7 satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
Mert a test törekvése ellenségeskedés Istennel, mert Isten törvényének nem engedelmeskedik, mert nem is teheti.
8 Ary izay ao amin’ ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’ Andriamanitra.
Akik test szerint élnek nem lehetnek kedvesek Isten előtt.
9 Fa ianareo tsy ao amin’ ny nofo, fa ao amin’ ny Fanahy, raha ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’ i Kristy, dia tsy Azy izy.
De ti nem test szerint éltek, hanem Lélek szerint, ha ugyan Isten Lelke lakik bennetek. Akiben pedig nincs a Krisztus Lelke, az nem az övé.
10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.
Ha pedig Krisztus bennetek van, bár a test halott a bűn miatt, a lélek ellenben él a megigazulás által.
11 Ary raha ny Fanahin’ izay nanangana an’ i Jesosy tamin’ ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’ i Kristy Jesosy tamin’ ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
Ha annak Lelke lakik bennetek, aki feltámasztotta Jézust a halálból, akkor az, aki feltámasztotta Jézust a halálból, megeleveníti a ti halandó testeteket is az ő bennetek lakó Lelke által.
12 Ary amin’ izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika ― tsy amin’ ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
Ezért, atyámfiai nem vagyunk adósok a testnek, hogy test szerint éljünk.
13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan’ ny tena dia ho velona ianareo.
Mert ha test szerint éltek meghaltok, de ha a test cselekedeteit a Lélekkel megölitek, élni fogtok.
14 Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.
Mert akiket Isten Lelke vezérel, azok Isten gyermekei.
15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
Mert nem a szolgaság lelkét kaptátok, hogy ismét félnetek kelljen, hanem a fiúság Lelkét kaptátok, aki által kiáltjuk: Abbá, Atyám!
16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.
Maga a Lélek tesz bizonyságot a mi lelkünkkel együtt, hogy Isten gyermekei vagyunk.
17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Ha pedig gyermekek, akkor örökösök is, örökösei Istennek és örököstársai Krisztusnak, ha vele együtt szenvedünk, hogy vele együtt dicsőüljünk is meg.
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ ny voninahitra izay haseho amintsika.
Mert azt tartom, hogy amiket most szenvedünk nem hasonlíthatók ahhoz a dicsőséghez, amely majd nyilvánvalóvá lesz rajtunk.
19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’ Andriamanitra;
Mert a teremtett világ sóvárogva várja az Isten fiainak megjelenését.
20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
Mert a termetett világ hiábavalóság alá vettetett, de nem önként, hanem az által, aki alávetette,
21 sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ ireo zanak’ Andriamanitra.
azzal a reménységgel, hogy maga a teremtett világ is megszabadul a romlandóság rabságából az Isten gyermekeinek dicsőséges szabadságára.
22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
Mert tudjuk, hogy az egész teremtett világ együtt nyög és vajúdik mind ez ideig.
23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’ anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
De nemcsak ez a világ, hanem maguk a Lélek zsengéjének birtokosai, mi magunk is fohászkodunk magunkban várva a fiúságot, testünk megváltását.
24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan’ ny olona izay efa hitany?
Mert reménységben tartattunk meg, a reménység pedig, ha látható, nem reménység, mert amit lát valaki, miért remélné azt?
25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.
Ha pedig, amit nem látunk, azt reméljük, békességes tűréssel várjuk.
26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ ny fitarainana tsy azo tononina.
Hasonlóképen a Lélek is segítségére van a mi erőtlenségünknek. Mert azt, amit kérnünk kell, nem tudjuk úgy, ahogy kellene, de maga a Lélek esedezik értünk kimondhatatlan fohászkodásokkal.
27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ ny olona masìna.
Aki pedig a szíveket vizsgálja, tudja, mi a Lélek gondolata, mert Isten szerint esedezik a szentekért.
28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
Tudjuk pedig, hogy azoknak, akik Isten szeretik, minden javukra van, mint akik az ő végzése szerint elhívottak.
29 satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ ny rahalahy maro Izy.
Mert akiket eleve kiválasztott, azokat eleve el is rendelte, hogy hasonlók legyenek Fia képmásához, hogy ő legyen az elsőszülött sok atyafi között.
30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
Akiket pedig eleve elrendelt, azokat el is hívta; és akiket elhívott, azokat meg is igazította, akiket pedig megigazított, azokat meg is dicsőítette.
31 Inona ary no holazaintsika ny amin’ izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Mit mondjunk azért ezekre? Ha Isten velünk, kicsoda ellenünk?
32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
Aki az ő tulajdon Fiának nem kedvezett, hanem őt mindnyájunkért odaadta, hogyne ajándékozna vele együtt mindent nekünk?
33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin’ Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
Kicsoda vádolja az Isten választottait? Isten az, aki megigazít.
34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ ny maty koa ka mitoetra eo amin’ ny tanana ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika.
Kicsoda az, aki kárhoztat? Krisztus az, aki meghalt, sőt aki fel is támadott, aki az Isten jobbján van, aki esedezik értünk.
35 Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
Kicsoda szakít el minket Krisztus szeretetétől? Nyomorúság vagy szorongattatás, vagy üldözés, vagy éhség, vagy mezítelenség, vagy veszedelem, vagy fegyver?
36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
Amint meg van írva: „Éretted gyilkoltatunk minden napon, úgy tekintenek minket, mint vágó juhokat.“
37 Kanefa amin’ izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ ilay tia antsika.
De mindezekben diadalmaskodunk, az által, aki minket szeretett.
38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
Mert meg vagyok győződve, hogy sem halál, sem élet, sem angyalok, sem fejedelemségek, sem hatalmasságok, sem jelenvalók, sem következendők,
39 na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’ izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika.
sem magasság, sem mélység, sem semmi más teremtmény nem szakíthat el minket Isten szeretetétől, amely a mi Urunkban, Jézus Krisztusban van.