< Romana 7 >

1 Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin’ izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy?
η αγνοειτε αδελφοι γινωσκουσιν γαρ νομον λαλω οτι ο νομος κυριευει του ανθρωπου εφ οσον χρονον ζη
2 Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ ny lalàna ho an’ ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ ny lalàn’ ny lahy izy.
η γαρ υπανδρος γυνη τω ζωντι ανδρι δεδεται νομω εαν δε αποθανη ο ανηρ κατηργηται απο του νομου του ανδρος
3 Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza.
αρα ουν ζωντος του ανδρος μοιχαλις χρηματισει εαν γενηται ανδρι ετερω εαν δε αποθανη ο ανηρ ελευθερα εστιν απο του νομου του μη ειναι αυτην μοιχαλιδα γενομενην ανδρι ετερω
4 Ary amin’ izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin’ ny lalàna noho ny tenan’ i Kristy, mba ho vadin’ ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin’ ny maty, mba hahavokarantsika ho an’ Andriamanitra.
ωστε αδελφοι μου και υμεις εθανατωθητε τω νομω δια του σωματος του χριστου εις το γενεσθαι υμας ετερω τω εκ νεκρων εγερθεντι ινα καρποφορησωμεν τω θεω
5 Fa fony tao amin’ ny nofo isika, dia ny filan’ ny ota, izay nohetsehin’ ny lalàna, no niasa tao amin’ ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin’ ny fahafatesana.
οτε γαρ ημεν εν τη σαρκι τα παθηματα των αμαρτιων τα δια του νομου ενηργειτο εν τοις μελεσιν ημων εις το καρποφορησαι τω θανατω
6 Fa ankehitriny dia efa afaka tamin’ ny lalàna isika, satria maty ny amin’ izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin’ ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin’ ny hahelan-tsoratra.
νυνι δε κατηργηθημεν απο του νομου αποθανοντες εν ω κατειχομεθα ωστε δουλευειν ημας εν καινοτητι πνευματος και ου παλαιοτητι γραμματος
7 Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin’ ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
τι ουν ερουμεν ο νομος αμαρτια μη γενοιτο αλλα την αμαρτιαν ουκ εγνων ει μη δια νομου την τε γαρ επιθυμιαν ουκ ηδειν ει μη ο νομος ελεγεν ουκ επιθυμησεις
8 Fa io didy io dia nentin’ ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.
αφορμην δε λαβουσα η αμαρτια δια της εντολης κατειργασατο εν εμοι πασαν επιθυμιαν χωρις γαρ νομου αμαρτια νεκρα
9 Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho.
εγω δε εζων χωρις νομου ποτε ελθουσης δε της εντολης η αμαρτια ανεζησεν εγω δε απεθανον
10 Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa.
και ευρεθη μοι η εντολη η εις ζωην αυτη εις θανατον
11 Fa io didy io dia nentin’ ny ota namitaka sy nahafaty ahy.
η γαρ αμαρτια αφορμην λαβουσα δια της εντολης εξηπατησεν με και δι αυτης απεκτεινεν
12 Ka dia masìna tokoa ny lalàna, ary masìna ny didy sady marina no tsara.
ωστε ο μεν νομος αγιος και η εντολη αγια και δικαια και αγαθη
13 Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon’ ny lalàna.
το ουν αγαθον εμοι γεγονεν θανατος μη γενοιτο αλλα η αμαρτια ινα φανη αμαρτια δια του αγαθου μοι κατεργαζομενη θανατον ινα γενηται καθ υπερβολην αμαρτωλος η αμαρτια δια της εντολης
14 Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ ny ota.
οιδαμεν γαρ οτι ο νομος πνευματικος εστιν εγω δε σαρκικος ειμι πεπραμενος υπο την αμαρτιαν
15 Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko.
ο γαρ κατεργαζομαι ου γινωσκω ου γαρ ο θελω τουτο πρασσω αλλ ο μισω τουτο ποιω
16 Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna.
ει δε ο ου θελω τουτο ποιω συμφημι τω νομω οτι καλος
17 Ary amin’ izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko.
νυνι δε ουκετι εγω κατεργαζομαι αυτο αλλ η οικουσα εν εμοι αμαρτια
18 Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato.
οιδα γαρ οτι ουκ οικει εν εμοι τουτ εστιν εν τη σαρκι μου αγαθον το γαρ θελειν παρακειται μοι το δε κατεργαζεσθαι το καλον ουχ ευρισκω
19 Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko.
ου γαρ ο θελω ποιω αγαθον αλλ ο ου θελω κακον τουτο πρασσω
20 Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko.
ει δε ο ου θελω εγω τουτο ποιω ουκετι εγω κατεργαζομαι αυτο αλλ η οικουσα εν εμοι αμαρτια
21 Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy.
ευρισκω αρα τον νομον τω θελοντι εμοι ποιειν το καλον οτι εμοι το κακον παρακειται
22 Fa mankasitraka ny lalàn’ Andriamanitra aho araka ny toetra anaty;
συνηδομαι γαρ τω νομω του θεου κατα τον εσω ανθρωπον
23 nefa mahita lalàna hafa amin’ ny momba ny tenako aho, miady amin’ ny lalàn’ ny saiko ka mamabo ahy ho an’ ny lalàn’ ny ota izay ao amin’ ny momba ny tenako.
βλεπω δε ετερον νομον εν τοις μελεσιν μου αντιστρατευομενον τω νομω του νοος μου και αιχμαλωτιζοντα με τω νομω της αμαρτιας τω οντι εν τοις μελεσιν μου
24 Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ ny tenan’ ity fahafatesana ity?
ταλαιπωρος εγω ανθρωπος τις με ρυσεται εκ του σωματος του θανατου τουτου
25 Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.
ευχαριστω τω θεω δια ιησου χριστου του κυριου ημων αρα ουν αυτος εγω τω μεν νοι δουλευω νομω θεου τη δε σαρκι νομω αμαρτιας

< Romana 7 >