< Romana 6 >
1 Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ ny ota ihany va isika hitomboan’ ny fahasoavana?
τι ουν ερουμεν επιμενουμεν τη αμαρτια ινα η χαρις πλεοναση
2 Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
μη γενοιτο οιτινες απεθανομεν τη αμαρτια πως ετι ζησομεν εν αυτη
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’ i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ ny fahafatesany?
η αγνοειτε οτι οσοι εβαπτισθημεν εις χριστον ιησουν εις τον θανατον αυτου εβαπτισθημεν
4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ ny batisa ho amin’ ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’ i Kristy tamin’ ny maty tamin’ ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ ny fiainam-baovao.
συνεταφημεν ουν αυτω δια του βαπτισματος εις τον θανατον ινα ωσπερ ηγερθη χριστος εκ νεκρων δια της δοξης του πατρος ουτως και ημεις εν καινοτητι ζωης περιπατησωμεν
5 Fa raha nampiraisina taminy tamin’ ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ ny fitsanganany;
ει γαρ συμφυτοι γεγοναμεν τω ομοιωματι του θανατου αυτου αλλα και της αναστασεως εσομεθα
6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
τουτο γινωσκοντες οτι ο παλαιος ημων ανθρωπος συνεσταυρωθη ινα καταργηθη το σωμα της αμαρτιας του μηκετι δουλευειν ημας τη αμαρτια
7 Fa izay efa maty dia afaka amin’ ny ota.
ο γαρ αποθανων δεδικαιωται απο της αμαρτιας
8 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
ει δε απεθανομεν συν χριστω πιστευομεν οτι και συζησομεν αυτω
9 ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
ειδοτες οτι χριστος εγερθεις εκ νεκρων ουκετι αποθνησκει θανατος αυτου ουκετι κυριευει
10 Fa ny amin’ ny nahafatesany, dia maty ny amin’ ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’ Andriamanitra Izy.
ο γαρ απεθανεν τη αμαρτια απεθανεν εφαπαξ ο δε ζη ζη τω θεω
11 Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy.
ουτως και υμεις λογιζεσθε εαυτους νεκρους μεν ειναι τη αμαρτια ζωντας δε τω θεω εν χριστω ιησου τω κυριω ημων
12 Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
μη ουν βασιλευετω η αμαρτια εν τω θνητω υμων σωματι εις το υπακουειν αυτη εν ταις επιθυμιαις αυτου
13 ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ ny ota ho fiadian’ ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’ Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra.
μηδε παριστανετε τα μελη υμων οπλα αδικιας τη αμαρτια αλλα παραστησατε εαυτους τω θεω ως εκ νεκρων ζωντας και τα μελη υμων οπλα δικαιοσυνης τω θεω
14 Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna ianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.
αμαρτια γαρ υμων ου κυριευσει ου γαρ εστε υπο νομον αλλ υπο χαριν
15 Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin’ ny lalàna, fa ambanin’ ny fahasoavana? Sanatria izany!
τι ουν αμαρτησομεν οτι ουκ εσμεν υπο νομον αλλ υπο χαριν μη γενοιτο
16 Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an’ iza na ho an’ iza, dia mpanompon’ izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin’ ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ ny fahamarinana?
ουκ οιδατε οτι ω παριστανετε εαυτους δουλους εις υπακοην δουλοι εστε ω υπακουετε ητοι αμαρτιας εις θανατον η υπακοης εις δικαιοσυνην
17 Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon’ ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban’ ny fampianarana izay nanolorana anareo;
χαρις δε τω θεω οτι ητε δουλοι της αμαρτιας υπηκουσατε δε εκ καρδιας εις ον παρεδοθητε τυπον διδαχης
18 ary rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo, dia tonga mpanompon’ ny fahamarinana.
ελευθερωθεντες δε απο της αμαρτιας εδουλωθητε τη δικαιοσυνη
19 Miteny araka ny fanaon’ ny olona aho noho ny fahalemen’ ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
ανθρωπινον λεγω δια την ασθενειαν της σαρκος υμων ωσπερ γαρ παρεστησατε τα μελη υμων δουλα τη ακαθαρσια και τη ανομια εις την ανομιαν ουτως νυν παραστησατε τα μελη υμων δουλα τη δικαιοσυνη εις αγιασμον
20 Fa fony mpanompon’ ny ota ianareo, dia afaka tamin’ ny fahamarinana.
οτε γαρ δουλοι ητε της αμαρτιας ελευθεροι ητε τη δικαιοσυνη
21 Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin’ izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran’ izany zavatra izany.
τινα ουν καρπον ειχετε τοτε εφ οις νυν επαισχυνεσθε το γαρ τελος εκεινων θανατος
22 Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon’ Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay. (aiōnios )
νυνι δε ελευθερωθεντες απο της αμαρτιας δουλωθεντες δε τω θεω εχετε τον καρπον υμων εις αγιασμον το δε τελος ζωην αιωνιον (aiōnios )
23 Fa fahafatesana no tambin’ ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika. (aiōnios )
τα γαρ οψωνια της αμαρτιας θανατος το δε χαρισμα του θεου ζωη αιωνιος εν χριστω ιησου τω κυριω ημων (aiōnios )