< Romana 5 >

1 Koa amin’ izany, satria efa nohamarinina tamin’ ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Kwa kuwa tumehesabiwa haki kwa njia ya imani, tuna amani na Mungu kwa njia ya Bwana wetu Yesu Kristo.
2 Tamin’ ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ ny finoana ho amin’ izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ ny fanantenana ny voninahitr’ Andriamanitra.
Kupitia yeye sisi pia tuna fursa kwa njia ya imani katika neema hii ambayo ndani yake tunasimama. Tunafurahi katika ujasiri atupao Mungu kwa ajili ya baadaye, ujasiri ambao tutashiriki katika utukufu wa Mungu.
3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
Siyo hili tu, lakini pia tunafurahi katika mateso yetu. Tunajua kwamba mateso huzaa uvumilivu.
4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana;
Uvumilivu huzaa kukubalika, na kukubalika huzaa ujasiri kwa ajili ya baadaye.
5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masìna, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’ Andriamanitra ho ao am-pontsika.
Ujasiri huu haukatishi tamaa, kwa sababu upendo wa Mungu umemwagwa katika mioyo yetu kupitia Roho Mtakatifu, ambaye alitolewa kwetu.
6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ ny fotoan’ andro hamonjy ny ratsy fanahy.
Kwa tulipokuwa tungali tu dhaifu, kwa wakati muafaka Kristo alikufa kwa ajili ya waovu.
7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa.
Kwa kuwa itakuwa vigumu mmoja kufa kwa ajili ya mtu mwenye haki. Hii ni kwamba, pengine mtu angethubutu kufa kwa ajili ya mtu mwema.
8 Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
Lakini Mungu amehakikisha upendo wake mwenyewe kwetu, kwa sababu wakati tulipokuwa tungali wenye dhambi, Kristo alikufa kwa ajili yetu.
9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ ny ràny isika.
Kisha zaidi ya yote, sasa kwa kuwa tumehesabiwa haki kwa damu yake, tutaokolewa kwa hiyo kutoka katika gadhabu ya Mungu.
10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny nahafatesan’ ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
Kwa kuwa, ikiwa wakati tulipokuwa maadui, tulipatanishwa na Mungu kwa njia ya kifo cha mwanae, zaidi sana, baada ya kuwa tumekwisha patanishwa, tutaokolewa kwa maisha yake.
11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’ Andriamanitra isika amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
Siyo hivi tu, bali pia tunafurahi katika Mungu kupitia Bwana Yesu Kristo, kupitia yeye ambaye sasa tumepokea upatanisho huu.
12 Koa izany dia tahaka ny nidiran’ ny ota avy tamin’ ny olona iray ho amin’ izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
Kwa hiyo basi, kama kupitia mtu mmoja dhambi iliingia duniani, kwa njia hii kifo kiliingia kwa njia ya dhambi. Na kifo kikasambaa kwa watu wote, kwa sababu wote walifanya dhambi.
13 fa hatrany alohan’ ny lalàna aza dia nisy ota tamin’ izao tontolo izao; nefa tsy isaina ny ota, raha tsy misy lalàna;
Kwa kuwa hadi sheria, dhambi ilikuwa duniani, lakini dhambi haihesabiki wakati hakuna sheria.
14 fa ny fahafatesana nanjaka hatramin’ i Adama ka hatramin’ i Mosesy, na dia tamin’ izay tsy nanota tahaka ny nanotan’ i Adama aza, izay tandindon’ ilay ho avy.
Hata hivyo, kifo kilitawala kutoka Adamu hadi Musa, hata juu ya wale ambao hawakufanya dhambi kama kutotii kwa Adamu, ambaye ni mfano wa yeye ambaye angekuja.
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan’ ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an’ ny maro, mainka ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ ny fahasoavan’ ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an’ ny maro kosa.
Lakini hata hivyo, zawadi ya bure si kama kosa. Kwa kuwa ikiwa kwa kosa la mmoja wengi walikufa, zaidi sana neema ya Mungu na zawadi kwa neema ya mtu mmoja, Yesu Kristo, imezidi kuongezeka kwa wengi.
16 Ary tsy tahaka ny avy amin’ ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ ny anankiray no nisehoan’ ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana.
Kwa kuwa zawadi si kama matokeo ya yule ambaye alifanya dhambi. Kwa kuwa kwa upande mwingine, hukumu ya adhabu ilikuja kwa sababu ya kosa la mtu mmoja. Lakini kwa upande mwingine, kipawa cha bure kinachotoka katika kuhesabiwa haki kilikuja baada ya makosa mengi.
17 Fa raha ny fahadisoan’ ny olona anankiray no nanjakan’ ny fahafatesana noho ny nataon’ ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ ny fahasoavana sy ny fanomezan’ ny fahamarinana no hanjaka amin’ ny fiainana noho ny nataon’ ny Anankiray, dia Jesosy Kristy.
Kwa maana, ikiwa kwa kosa la mmoja, kifo kilitawala kupitia mmoja, zaidi sana wale ambao watapokea neema nyingi pamoja na kipawa cha haki watatawala kupitia maisha ya mmoja, Yesu Kristo.
18 Koa tahaka ny nahatongavan’ ny fanamelohana ho an’ ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ ny fanamarinana ho amin’ ny fiainana kosa ho an’ ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
Hivyo basi, kama kupitia kosa moja watu wote walikuja kwenye hukumu, ingawa kupitia tendo moja la haki kulikuja kuhesabiwa haki ya maisha kwa watu wote.
19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ ny Anankiray.
Kwa kuwa kama kupitia kutotii kwa mtu mmoja wengi walifanywa wenye dhambi, hivyo kupitia utii wa mmoja wengi watafanywa wenye haki.
20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
Lakini sheria iliingia pamoja, ili kwamba kosa liweze kuenea. Lakini mahali ambapo dhambi ilizidi kuwa nyingi, neema iliongezeka hata zaidi.
21 mba ho tahaka ny nanjakan’ ny ota tao amin’ ny fahafatesana no hanjakan’ ny fahasoavana kosa amin’ ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. (aiōnios g166)
Hii ilitokea ili kwamba, kama dhambi ilivyotawala katika kifo, ndivyo hata neema inaweza kutawala kupitia haki kwa ajili ya maisha ya milele kupitia Yesu Kristo Bwana wetu. (aiōnios g166)

< Romana 5 >