< Romana 4 >

1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon’ i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
Hvad skulle vi da sige, at vor Stamfader Abraham har vundet efter Kødet?
2 Fa raha asa no nanamarinana an’ i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’ Andriamanitra.
Thi dersom Abraham blev retfærdiggjort af Gerninger, har han Ros, men ikke for Gud.
3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masìna? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.
Thi hvad siger Skriften? „Og Abraham troede Gud, og det blev regnet ham til Retfærdighed.”
4 Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
Men den, som gør Gerninger, tilregnes Lønnen ikke som Naade, men som Skyldighed;
5 Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
den derimod, som ikke gør Gerninger, men tror paa ham, som retfærdiggør den ugudelige, regnes hans Tro til Retfærdighed;
6 Dia araka izany koa no ilazan’ i Davida fa sambatra ny olona izay isain’ Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ ny asa, hoe:
ligesom ogsaa David priser det Menneske saligt, hvem Gud tilregner Retfærdighed uden Gerninger:
7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
„Salige de, hvis Overtrædelser ere forladte, og hvis Synder ere skjulte;
8 Sambatra izay olona tsy hisain’ i Jehovah heloka.
salig den Mand, hvem Herren ikke vil tilregne Synd.”
9 Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.
Gælder da denne Saligprisning de omskaarne eller tillige de uomskaarne? Vi sige jo: Troen blev regnet Abraham til Retfærdighed.
10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
Hvorledes blev den ham da tilregnet? da han var omskaaren, eller da han havde Forhud? Ikke da han var omskaaren, men da han havde Forhud.
11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,
Og han fik Omskærelsens Tegn som et Segl paa den Troens Retfærdighed, som han havde som uomskaaren, for at han skulde være Fader til alle dem, som tro uden at være omskaarne, for at Retfærdighed kan blive dem tilregnet,
12 ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
og Fader til omskaarne, til dem, som ikke alene have Omskærelse, men ogsaa vandre i den Tros Spor, hvilken vor Fader Abraham havde som uomskaaren.
13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana, no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
Thi ikke ved Lov fik Abraham eller hans Sæd den Forjættelse, at han skulde være Arving til Verden, men ved Tros-Retfærdighed.
14 Fa raha izay amin’ ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
Thi dersom de, der ere af Loven, ere Arvinger, da er Troen bleven tom, og Forjættelsen gjort til intet.
15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
Thi Loven virker Vrede; men hvor der ikke er Lov, er der heller ikke Overtrædelse.
16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ ny taranaka rehetra, ― tsy ho an’ izay amin’ ny lalàna ihany, fa ho an’ izay amin’ ny finoan’ i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra ―
Derfor er det af Tro, for at det skal være som Naade, for at Forjættelsen maa staa fast for den hele Sæd, ikke alene for den af Loven, men ogsaa for den af Abrahams Tro, han, som er Fader til os alle
17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao ― teo anatrehan’ izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
(som der er skrevet: „Jeg har sat dig til mange Folkeslags Fader”), over for Gud, hvem han troede, ham, som levendegør de døde og kalder det, der ikke er, som om det var.
18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.
Og han troede imod Haab med Haab paa, at han skulde blive mange Folkeslags Fader, efter det, som var sagt: „Saaledes skal din Sæd være;”
19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ ny kibon’ i Saraha,
og uden at blive svag i Troen saa han paa sit eget allerede udlevede Legeme (han var nær hundrede Aar) og paa, at Saras Moderliv var udlevet;
20 ary tsy niahanahana ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra
men om Guds Forjættelse tvivlede han ikke i Vantro, derimod blev han styrket i Troen, idet han gav Gud Ære
21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
og var overbevist om, at hvad han har forjættet, er han mægtig til ogsaa at gøre.
22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.
Derfor blev det ogsaa regnet ham til Retfærdighed.
23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
Men det blev ikke skrevet for hans Skyld alene, at det blev ham tilregnet,
24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty,
men ogsaa for vor Skyld, hvem det skal tilregnes, os, som tro paa ham, der oprejste Jesus, vor Herre, fra de døde,
25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.
ham, som blev hengiven for vore Overtrædelsers Skyld og oprejst for vor Retfærdiggørelses Skyld.

< Romana 4 >