< Romana 3 >
1 Koa inona ary no tombony ananan’ ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin’ ny famorana?
그런즉 유대인의 나음이 무엇이며 할례의 유익이 무엇이뇨
2 Be ihany amin’ ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin’ Andriamanitra ho adidiny.
범사에 많으니 첫째는 저희가 하나님의 말씀을 맡았음이니라
3 Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan’ Andriamanitra?
어떤 자들이 믿지 아니하였으면 어찌하리요 그 믿지 아니함이 하나님의 미쁘심을 폐하겠느뇨
4 Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin’ ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady.
그럴 수 없느니라 사람은 다 거짓되되 오직 하나님은 참되시다 할지어다 기록된 바 주께서 주의 말씀에 의롭다 함을 얻으시고 판단 받으실 때에 이기려 하심이라 함과 같으니라
5 Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan’ Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ―
그러나 우리 불의가 하나님의 의를 드러나게 하면 무슨 말 하리요 내가 사람의 말하는 대로 말하노니 진노를 내리시는 하나님이 불의하시냐
6 Sanatria izany! Fa raha izany, hataon’ Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
결코 그렇지 아니하니라 만일 그러하면 하나님께서 어찌 세상을 심판하시리요
7 Fa raha ny fahamarinan’ Andriamanitra kosa no nitombo tamin’ ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
그러나 나의 거짓말로 하나님의 참되심이 더 풍성하여 그의 영광이 되었으면 어찌 나도 죄인처럼 심판을 받으리요
8 Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian’ ny soa isika, ― araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan’ ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
또는 그러면 선을 이루기 위하여 악을 행하자 하지 않겠느냐 (어떤 이들이 이렇게 비방하여 우리가 이런 말을 한다고 하니) 저희가 정죄 받는 것이 옳으니라
9 Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
그러면 어떠하뇨 우리는 나으뇨 결코 아니라 유대인이나 헬라인이나 다 죄 아래 있다고 우리가 이미 선언하였느니라
10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
기록한 바 의인은 없나니 하나도 없으며
11 Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’ Andriamanitra.
깨닫는 자도 없고 하나님을 찾는 자도 없고
12 Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza.
다 치우쳐 한가지로 무익하게 되고 선을 행하는 자는 없나니 하나도 없도다
13 Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka; Ny poizin’ ny menarana no ao ambanin’ ny molony;
저희 목구멍은 열린 무덤이요 그 혀로는 속임을 베풀며 그 입술에는 독사의 독이 있고
14 Feno ozona sy fangidiana ny vavany;
그 입에는 저주와 악독이 가득하고
15 Ny tongony mimaona handatsa-drà;
그 발은 피 흘리는데 빠른지라
16 Fandravana sy fandringanana no eo amin’ ny alehany;
파멸과 고생이 그 길에 있어
17 Ary ny lalan’ ny fiadanana dia tsy fantany;
평강의 길을 알지 못하였고
18 Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra eo anoloan’ ny masony.
저희 눈 앞에 하나님을 두려워함이 없느니라 함과 같으니라
19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
우리가 알거니와 무릇 율법이 말하는 바는 율법 아래 있는 자들에게 말하는 것이니 이는 모든 입을 막고 온 세상으로 하나님의 심판 아래 있게 하려 함이니라
20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ ny asan’ ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ ny ota.
그러므로 율법의 행위로 그의 앞에 의롭다 하심을 얻을 육체가 없나니 율법으로는 죄를 깨달음이니라
21 Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, tsy amin’ ny lalàna anefa, fa ambaran’ ny lalàna sy ny mpaminany,
이제는 율법 외에 하나님의 한 의가 나타났으니 율법과 선지자들에게 증거를 받은 것이라
22 dia ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Jesosy Kristy ho an’ izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
곧 예수 그리스도를 믿음으로 말미암아 모든 믿는 자에게 미치는 하나님의 의니 차별이 없느니라
23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,
모든 사람이 죄를 범하였으매 하나님의 영광에 이르지 못하더니
24 nefa hamarinina maimaimpoana amin’ ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
그리스도 예수 안에 있는 구속으로 말미암아 하나님의 은혜로 값없이 의롭다 하심을 얻은 자 되었느니라
25 Izay nasehon’ Andriamanitra tamin’ ny ràny ho fanavotana amin’ ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ ny tsy namalian’ Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ ny nandeferany,
이 예수를 하나님이 그의 피로 인하여 믿음으로 말미암는 화목제물로 세우셨으니 이는 하나님께서 길이 참으시는 중에 전에 지은 죄를 간과하심으로 자기의 의로우심을 나타내려 하심이니
26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’ i Jesosy.
곧 이 때에 자기의 의로우심을 나타내사 자기도 의로우시며 또한 예수 믿는 자를 의롭다 하려 하심이니라
27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
그런즉 자랑할 데가 어디뇨 있을 수가 없느니라 무슨 법으로냐 행위로냐 아니라 오직 믿음의 법으로니라
28 Koa amin’ izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ ny lalàna.
그러므로 사람이 의롭다 하심을 얻는 것은 율법의 행위에 있지 않고 믿음으로 되는 줄 우리가 인정하노라
29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ ny jentilisa koa? Eny, an’ ny jentilisa koa;
하나님은 홀로 유대인의 하나님뿐이시뇨 또 이방인의 하나님은 아니시뇨 진실로 이방인의 하나님도 되시느니라
30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin’ ny finoana.
할례자도 믿음으로 말미암아 또는 무할례자도 믿음으로 말미암아 의롭다 하실 하나님은 한 분이시니라
31 Koa mahafoana ny lalàna amin’ ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.
그런즉 우리가 믿음으로 말미암아 율법을 폐하느뇨 그럴 수 없느니라 도리어 율법을 굳게 세우느니라