< Romana 16 >
1 Indry, Foiby anabavintsika, diakon’ ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo,
I commede vnto you Phebe oure sister (which is a minister of the congregacion of Chenchrea)
2 mba horaisinareo ao amin’ ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masìna, ary mba hampianareo izy amin’ izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin’ ny tenako koa.
that ye receave her in the Lorde as it becommeth saynctes and that ye assist her in whatsoever busynes she neadeth of youre ayde. For she hath suckered many and myne awne selfe also.
3 Veloma amin’ i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’ i Kristy Jesosy;
Grete Prisca and Aquila my helpers in Christ Iesu
4 izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ ny jentilisa koa.
which have for my lyfe layde doune their awne neckes. Vnto which not I only geve thankes but also the congregacion of the getyls.
5 Ary veloma amin’ ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin’ i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr’ i Asia ho an’ i Kristy.
Lyke wyse grete all the copany that is in thy housse. Salute my welbeloved Epenetos which is the fyrst frute amoge them of Achaia.
6 Veloma amin’ i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo.
Grete Mary which bestowed moche labour on vs.
7 Veloma amin’ i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin’ ny Apostoly sady tao amin’ i Kristy talohako.
Salute Andronicus and Iunia my cosyns which were presoners with me also which are wele taken amoge the Apostles and were in Christ before me.
8 Veloma amin’ i Ampliato, malalako ao amin’ ny Tompo.
Grete Amplias my beloved in ye Lorde.
9 Veloma amin’ i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin’ i Kristy, sy Staky malalako.
Salute Vrban oure helper in Christ and Stachys my beloved.
10 Veloma amin’ i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin’ i Kristy. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Aristobolo.
Salute Appelles approved in Christ. Salute them which are of Aristobolus housholde.
11 Veloma amin’ i Herodiona havako. Veloma amin’ ny ankohonan’ i Narkisa, izay ao amin’ ny Tompo.
Salute Herodion my kynsma. Grete them of the housholde of Narcissus which are in the Lorde.
12 Veloma amin’ i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin’ ny Tompo. Veloma amin’ i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin’ ny Tompo.
Salute Triphena and Triphosa which wemen dyd labour in ye Lorde. Salute ye beloved Persis which laboured in the Lorde.
13 Veloma amin’ i Rofosy, ilay voafidy ao amin’ ny Tompo, ary amin’ ny reniny sy reniko.
Salute Rufus chosen tn the Lorde and his mother and myne.
14 Veloma amin’ i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin’ ny rahalahy ao aminy.
Grete Asincritus Phlegon Herman Patrobas Hermen and the brethren which are wt them.
15 Veloma amin’ i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masìna rehetra izay ao aminy.
Salute Philologus and Iulia Nereus and his sister and Olimpha and all the saynctes which are with them.
16 Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna. Ny fiangonana rehetra an’ i Kristy manao veloma anareo.
Salute one another with an holy kysse. The congregacions of Christ salute you.
17 Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin’ izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin’ ireny olona ireny.
I beseche you brethre marke them which cause division and geve occasions of evyll contrary to the doctrine which ye have learned: and avoyde them.
18 Fa izy ireny tsy mba manompo an’ i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ ny tsy ary saina.
For they yt are suche serve not ye Lorde Iesus Christ: but their awne bellyes and with swete preachinges and flatteringe wordes deceave the hertes of the innocetes.
19 Fa efa niely any amin’ ny olona rehetra ny lazan’ ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin’ izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’ izay ratsy.
For youre obedience extendeth to all men. I am glad no dout of you. But yet I wolde have you wyse vnto yt which is good and to be innocetes concerninge evyll.
20 Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
The God of peace treade Satan vnder youre fete shortly. The grace of oure Lorde Iesu Christ be with you.
21 Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako.
Thimotheus my worke felow and Lucius and Iason and Sopater my kynsmen salute you.
22 Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin’ ny Tompo.
I Tertius salute you which wrote this epistle in the Lorde.
23 Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo.
Gaius myne hoste and the hoste of all the congregacions saluteth you. Erastus the chamberlayne of ye cite saluteth you. And Quartus a brother saluteth you.
The grace of oure Lorde Iesu Christ be wt you all. Ame
25 Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, (aiōnios )
To him that is of power to stablisshe you accordinge to my gospell and preachinge of Iesus Christ in vtteringe of the mistery which was kept secret sence the worlde begane (aiōnios )
26 fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin’ ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, (aiōnios )
but now is opened by ye scriptures of prophesie at the commaundement of the everlastinge god to stere vp obedience to the faith publisshed amonge all nacions: (aiōnios )
27 ho an’ Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
To the same God which alone is wyse be prayse thorowe Iesus Christ for ever. Amen. (aiōn )