< Romana 14 >
1 Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
2 Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
3 Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
4 Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ ny hafa? Amin’ ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ ny sainy avy izy.
6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ ny Tompo, satria misaotra an’ Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ ny Tompo, sady misaotra an’ Andriamanitra koa izy.
7 Fa tsy misy velon-ko an’ ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an’ ny tenany.
8 Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany.
9 Fa izany no nahafatesan’ i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ ny maty sy ny velona Izy.
10 Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.
11 Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an’ Andriamanitra.
12 Koa samy hampamoahin’ Andriamanitra ny amin’ ny tenany avy isika rehetra.
13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ ny rahalahy.
14 Mahalala sady matoky ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
17 Fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy amin’ ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ ny Fanahy Masìna.
18 Fa izay manompo an’ i Kristy amin’ izany zavatra izany no sitrak’ Andriamanitra sy eken’ ny olona fa tsara.
19 Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
20 Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana.
21 Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
22 Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’ Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’ izay zavatra ekeny.
23 Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin’ ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin’ ny finoana.