< Romana 13 >

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra.
Kila mundu iganikiwa kuvayidikila vachilongosi va mulima vevana uhotola muni kawaka mundu mweihotola kulongosa ngati Chapanga amvikili lepi alongosayi.
2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’ Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
Mundu yula mweibela ulongosi, mwenuyo ibela malagizu ga Chapanga, na mweikita chenicho akujiletela uhamula mwene.
3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
Muni, vevitalalila viyogopwa lepi na vandu vevikita gabwina, nambu viyogopwa na vandu vala vevikita gahakau. Na veve wiganikiwa lepi kumuyogopa mweakulongosa. Kita gabwina na mwene yati akulumbalila,
4 fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
muni mwene akumuhengela Chapanga ndava yinu muni mpata gabwina. Nambu ngati ukita gahakau, ndi penapo umuyogopa, muni ana uhotola wa kuhamuliwa. Mwene ilangisa ligoga la Chapanga kwa vala vevikita uhakau.
5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
Ndi wiganikiwa kuvatopesa vanauhotola, lepi ndava ya kuyogopa kuhamuliwa na Chapanga nambu ndava ya mtima waku wimanya chewigana kuhenga.
6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
Ndava yeniyo nyenye mwilipa kodi, muni vevitalalila avo vakumuhengela Chapanga ndava ya mahengu gavi.
7 Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana’ tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina.
Mumpela kila mundu cheiganikiwa kupewa, ngati udayiwa kodi, mumpela kodi, ngati udayiwa ushulu, mumpela ushulu, mweiganikiwa kuyogopwa ndi ayogopewayi mweiganikiwa kutopeswa mumtopesa.
8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Mkoto kuvya na lideni kwa mundu yoyoha, nambu lideni kuganana ndu. Muni mundu mweakumgana muyaki akugalanda malagizu ga Musa.
9 Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Muni mihilu yene ndi yeniyi, “Kotoka kukita ugoni, koto kukoma, koto kuyiva koto kunogela vindu vya vandu,” Na zingi zoha zivii mu malagizu lenili limonga, “Umganayi muyaku ngati cheukujigana wamwene.”
10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Ukamganayi muyaki uhotola lepi kumkitila uhakau. Hinu uganu ndi kwenuko ndi kutimila kwa Malagizu goha.
11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ ny andro vao ninoantsika.
Mkita naha, ndava muni lukumbi lwinu lwa kuyumuka mu lugono luhikili, usangula witu luhegelili papipi neju kuliku patatumbwili kusadika.
12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ ny mazava.
Hinu kilu yipitili na muhi luhegelela. Ndi tileka kukita mahakau ga chitita na titola vindu vya kukomanila ngondo vya lumuli.
13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.
Titama bwina ngati vandu vevitama lukumbi lwa muhi. Tileka mselebuko weuvi na matendu gahakau, na kugala na ukemi na uhakau na ngondo na wihu.
14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.
Mkitayi vandu vamlolayi BAMBU witu Yesu Kilisitu avi muwumi winu, na mleka kuzihololela mnogo uhaku wemuvelikiwi nawu na kuzilanda.

< Romana 13 >