< Romana 13 >

1 Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’ Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’ Andriamanitra.
Každý se má podřídit pozemské vládě, neboť vládní moc má svůj původ od Boha.
2 Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’ Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.
Kdo se staví proti ní, staví se proti řádu, který Bůh ustanovil, a přivolává na sebe trest.
3 Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. Ary ny tsy hatahotra ny fahefana va no tianao? Ataovy ary izay tsara, dia hahazo dera avy aminy ianao;
Vláda tu není od toho, aby naháněla strach za dobré jednání, nýbrž za špatné. Jednej v souladu se zákony a nemusíš se jí bát.
4 fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
Jejím úkolem od Boha je sloužit občanům k dobru. Kdo ovšem páchá zlo, má se proč bát; ne nadarmo má vláda také meč. I to je jejím posláním od Boha, aby trestala zlo.
5 Koa tsy maintsy manaiky ny olona, nefa tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.
Proto je nutno vládu respektovat nejen ze strachu před trestem; to je i věc svědomí.
6 Fa noho izany no andoavanareo vola hetra; fa mpanompon’ Andriamanitra mitandrina izany zavatra izany indrindra ireny.
Ze stejného důvodu například platíme daně. Stát je vybírá v zájmu veřejného blaha a také výběrčí svým způsobem slouží všem, když plní tento svěřený úkol.
7 Mandoava amin’ izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’ izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’ izay tokony handoavana fadin-tseranana’ tahotra ho an’ izay tokony hatahorana, haja ho an’ izay tokony hohajaina.
Dávejte tedy každému, co mu náleží: Komu daň – tomu daň, komu clo – tomu clo, komu úcta – tomu úcta, komu čest – tomu čest.
8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Nedělejte si dluhy. Jediný dluh nikdy nesplatíte: vzájemnou lásku mezi vámi. Kdo druhé lidi miluje, ten plní zákon.
9 Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’ olona, mbamin’ izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin’ izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Vždyť všechna ta přikázání jako „nebudeš cizoložit, zabíjet, krást, toužit po cizím vlastnictví“a kterákoliv jiná jsou zahrnuta v tomto jediném: Miluj svého bližního jako sám sebe.
10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.
Láska neumí ublížit, proto láska je naplněním zákona.
11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ ny andro vao ninoantsika.
Mějte to vše na paměti tím spíše, že víte, v jak kritické době žijeme. Přišel už čas probrat se z netečnosti. Očekávané vysvobození se blíží.
12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ ny mazava.
Noc se chýlí ke konci, den je přede dveřmi. Nechme tedy všeho, co patří do říše tmy, jako jsou pitky a nevázané zábavy, nemravnosti a bezuzdnosti, sváry a závist a připravujme se vstříc světlu.
13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ ny andro; tsy amin’ ny filalaovan-dratsy, na amin’ ny fahamamoana, tsy amin’ ny fijangajangana, na amin’ ny fijejojejoana, tsy amin’ ny fifandirana, na amin’ ny fialonana.
14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.
Všechno vaše jednání ať určuje Ježíš Kristus. Nevěnujte příliš pozornosti tělu, abyste se nestali otroky jeho potřeb.

< Romana 13 >