< Romana 12 >

1 Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
Тож благаю вас, браття, через Боже милосердя, — повіддавайте ваші тіла на жертву живу, святу, приємну Богові, як розумну службу вашу,
2 Ary aza manaraka ny fanaon’ izao tontolo izao; fa miovà amin’ ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. (aiōn g165)
і не стосу́йтесь до віку цього, але перемініться відно́вою вашого розуму, щоб пізнати вам, що́ то є воля Божа, — добро, приємність та доскона́лість. (aiōn g165)
3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’ Andriamanitra ho anareo avy.
Через да́ну мені благода́ть кажу́ кожному з вас не ду́мати про себе більш, ніж належить ду́мати, але ду́мати скромно, у міру віри, як кожному Бог наділи́в.
4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena,
Бо як в однім тілі маємо багато членів, а всі члени мають не однакове ді́яння,
5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin’ i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
так багато нас є одне тіло в Христі, а зосібна ми один о́дному члени.
6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana;
І ми маємо різні да́ри, згідно з благода́ттю, да́ною нам: коли пророцтво — то виконуй його́ в міру віри,
7 raha fanompoana amin’ ny fiangonana, dia aoka ho amin’ ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin’ ny fampianarana;
а коли служіння — будь на служі́ння, коли вчитель — на навча́ння,
8 raha mananatra, dia aoka ho amin’ ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin’ ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin’ ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin’ ny fifaliana.
коли втіши́тель — на потіша́ння, хто подає — у простоті, хто голову́є — то з пильністю, хто милосе́рдствує — то з привітністю!
9 Aoka ny fitiavana ho amin’ ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin’ ny tsara.
Любов нехай буде нелицемірна; нена́видьте зло та тулі́ться до доброго!
10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy; mitariha lalana amin’ ny fifanomezam-boninahitra.
Любіть один о́дного братньою любов'ю; випереджа́йте один о́дного пошаною!
11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin’ ny fanompoana ny Tompo.
У ре́вності не лінуйтеся, духом палайте, служіть Господе́ві,
12 Mifalia amin’ ny fanantenana; miareta amin’ ny fahoriana; mahareta amin’ ny fivavahana.
тіштесь надією, утиски терпіть, перебувайте в молитві,
13 Miantrà ny olona masìna araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny.
беріть у́діл у потребах святих, будьте гостинні до чужи́нців!
14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
Благословляйте тих, хто вас переслідує; благословляйте, а не проклинайте!
15 Miaraha mifaly amin’ izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’ izay mitomany.
Тіштеся з тими, хто тішиться, і плачте з отими, хто плаче!
16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Ду́майте між собою одна́ково; не величайтеся, але́ наслідуйте слухня́них; „не вважайте за мудрих себе!“
17 Aza mamaly ratsy na amin’ iza na amin’ iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ ny olona rehetra.
Не платіть ніко́му злом за зло, дбайте про добре перед усіма́ людьми́!
18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.
Коли можливо, якщо це залежить від вас — живіть у мирі зо всіма́ людьми́!
19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
Не мстіться самі, улю́блені, але дайте місце гніву Божому, бо написано: „Мені помста належить, Я відплачу́, говорить Господь“.
20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.
Отож, як твій ворог голодний, — нагодуй його; як він пра́гне, — напій його, бо, роблячи це, ти згорта́єш розпа́лене ву́гілля йому на голову.
21 Aza mety ho resin’ ny ratsy ianao, fa reseo amin’ ny soa ny ratsy.
Не будь переможений злом, але перемагай зло добром!

< Romana 12 >