< Romana 11 >
1 Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.
2 Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masìna eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?
4 Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ i Bala.
5 Dia toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ ny fahasoavana.
6 Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;
8 araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany
9 Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10 Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.
11 Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.
12 Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14 raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
15 Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?
16 Ary koa, raha masìna ny santatra, dia masìna koa ny vongany; ary raha masìna ny fakany, dia masìna koa ny sampany.
17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky ny hazo oliva
18 dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19 Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23 Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’ Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 Fa raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy.
25 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;
26 ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;
27 Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.
28 Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.
29 Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’ Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindram-po,
31 dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra. (eleēsē )
33 Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
34 Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?
35 Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
36 Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. (aiōn )