< Romana 10 >
1 Ry rahalahy, ny irin’ ny foko sy ny angatahiko amin’ Andriamanitra ho an’ ireny dia famonjena.
Brethren, indeed the desire of my heart and my prayer to God in their behalf, is for their salvation.
2 Fa vavolombelon’ ireny aho fa mazoto ho an’ Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
For I testify to them, that they have a zeal of God, but not according to perfect knowledge;
3 Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra.
for being ignorant of God's righteousness, and seeking to establish their own righteousness, they have not submitted to the righteousness of God.
4 Fa Kristy no faran’ ny lalàna ho fahamarinana ho an’ izay rehetra mino.
For Christ is the end of the law unto righteousness to every one who believes.
5 Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin’ ny lalàna no ho velona amin’ izany.
For Moses describes the righteousness which is of the law, that the man having done this shall live in it.
6 Fa ny fahamarinana izay avy amin’ ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an’ i Kristy izany, )
But the righteousness of faith speaks thus, Say not in thy heart, Who shall ascend up into heaven? that is, to bring Christ down:
7 na: Iza no hidina any amin’ ny lalina? (dia ny hampiakatra an’ i Kristy avy any amin’ ny maty izany.) (Abyssos )
or, Who shall descend into the abyss? that is, to bring him up from the dead. (Abyssos )
8 Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, dia ny teny ny amin’ ny finoana, izay torinay;
But what says it? The word is nigh thee, in thy mouth, and in thy heart: that is, the word of faith, which we preach.
9 satria raha manaiky an’ i Jesosy ho Tompo amin’ ny vavanao ianao ary mino amin’ ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ ny maty, dia hovonjena ianao.
That if you may confess with your mouth the Lord Jesus, and may believe with your heart that God raised him from the dead, you shall be saved:
10 Fa amin’ ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ ny vava no anekena hahazoana famonjena.
for with the heart it is believed unto righteousness; and with the mouth it is confessed unto salvation.
11 Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
For the scripture says, Every one believing on him shall not be ashamed.
12 Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
For there is no difference between Jew and Greek: for the same is Lord of all, rich unto all that call on him.
13 Fa izay rehetra miantso ny anaran’ ny Tompo no hovonjena.
For every one who may call on the name of the Lord shall be saved.
14 Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
Then how can they call on him on whom they have not believed? and how can they believe on him of whom they have not heard? and how shall they hear without a preacher?
15 Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ ny tongotr’ iry mitondra teny soa mahafaly!
And how can they preach, unless they may be sent forth? as has been written, How beautiful are the feet of those, who preach the gospel of good things!
16 Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
But they have not all heard the gospel. For Isaiah says, Lord, who has believed our report?
17 Koa ny finoana dia avy amin’ ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ ny tenin’ i Kristy.
Then faith comes by hearing, and hearing by the word of Christ.
18 Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin’ ny faran’ izao rehetra izao.
But I say, Have they not all heard? Yea, truly, Their sound has gone out into all the earth, and their words unto the ends of the world.
19 Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin’ izay tsy firenena, Dia amin’ ny firenena adala no hampahasosorako anareo.
But I say, Whether does not Israel know? Moses first says, I will provoke you to jealousy with that which is no nation, and with a nation void of understanding I will anger you.
20 Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan’ izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin’ izay tsy nanontany Ahy.
But Isaiah is bold, and says, I was found by those not seeking after me; and made manifest to those not inquiring after me.
21 Fa ny amin’ ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin’ izay firenena sady tsy manaraka no mandà.
But to Israel he says, All day long have I reached forth my hands to a gainsaying and disobedient people.