< Romana 1 >

1 Paoly, mpanompon’ i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin’ ny filazantsaran’ Andriamanitra,
Paulusi, muhikana wa Jesu Kreste, yava sumpwa kuva mu Apositola, niku kauhanyezwa hembali che ivangeli ye Ireeza.
2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin’ ny Soratra Masìna,
Iyi nje ivangeli yava sepisi inako ni seni kusika ca ma porofita mumanolo a njolola.
3 ny amin’ ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ ny taranak’ i Davida araka ny nofo,
Ku amana ni mwanakwe, yava zalwa kwi shika lya Davida chokuya ke nyama.
4 ary naseho tamin-kery ho Zanak’ Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty, ― dia Jesosy Kristy Tompontsika,
Cho kuvuka ku vafwile, ave zibahazwa kuva iye Mwana we Ireeza we ziho cho Luhuho loku jolola- Jesu Kreste Simwine wetu.
5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah’ Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin’ ny jentilisa rehetra;
Chakwe tuva hewa chishemo ni vu apostola cho kusepahala kwe ntumelo mwi fasi lyonse, chevaka lye zina lyakwe.
6 ary ianareo koa, izay isan’ ireny, dia voantso ho an’ i Jesosy Kristy, ―
Mukati kezi inkanda, nanwe vulyo muva sumpwa kuti muve kwa Jesu Kreste.
7 ho an’ izay rehetra any Roma, malalan’ Andriamanitra sady voantso ho masìna; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Ilyi ñolo njilyavo vonse vena mwa Roma, va sakiwa ve Ireeza, va sumpwa kuva vantu va jolola. Chishemo chive kwenu, ni nkozo izwa kwe Ireeza Ishetu ni Jesu Kreste.
8 Voalohany, misaotra an’ Andriamanitro amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’ izao tontolo izao ny lazan’ ny finoanareo.
Chentanzi, ni litumela kwe Ireeza ka Jesu Kreste henu muvonse, kakuti i ntumelo yenu ya wambwa mwi nkanda yonse.
9 Fa Andriamanitra, Izay tompoin’ ny fanahiko amin’ ny filazantsaran’ ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
Kaho Ireeza impaki yangu, ini seveleza mu Luho lwangu mwi evangeli ya mwana, muni zwile havusu kuwamba zakwe.
10 dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin’ izao ho tonga aminareo, raha sitrapon’ Andriamanitra.
Inako ni nako ni kumbilanga mwi ntampelo zangu kapa mwinzila yonse kumamani mani nive yo zwila havusu hanu ke ntato ye Ireeza mwikwiza kwenu.
11 Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
Kaho ni tavela kukuvona, kuti ni mihe mupuzo za Luhuho, kuti ni mikolise.
12 izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
China njichi, ni nungwa kuva yo susuwezwa mu kati kenu, ke ntumelo yetu tu vonse, yenu ni yangu.
13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ ny jentilisa sasany.
Hanu kani saki kuti kanzi muvi va sezivite, va kwaangu, kuti niva kusakanga kwiza kwenu, kono niva vinditwe haisi hanu. Niva kusaka izi kuti muve ni miselo mukati kenu sina hamwina mukati ka machava.
14 Ananan’ ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
Ni mukoroti hamwina kuma Greeki mi niku mazwahule, hamwina kuvena vutali niva holo.
15 koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
Cwale kwangu, nilitukise kuwamba evangeli nikwenu mwina mwa Roma.
16 Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ ny Jiosy aloha, dia vao amin’ ny jentilisa koa.
Kaho kani swaveli evangeli, kaho manta a Ireeza ye mpuluso ya vantu vonse va zumina, kaho ma Juda chetanzi ni ma Greeki.
17 Fa amin’ izany no anehoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra avy amin’ ny finoana sy ho amin’ ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin’ ny finoana no ho velona.
Kaho mwateni kujolola kwa Ireeza kuli vonahaza kwi ntumelo ni ntumelo, sina mwiva ñolelwa, “Va jolola kava hale che ntumelo.”
18 Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan’ ny olona izay misakana ny fahamarinana amin’ ny fanaovan-dratsy,
Kaho ku venga kwe Ireeza kulivonahaza kuzwa kwi wulu kwavo vasali ve Ireeza niku vantu vasa jololi, avo mukusa jololi va kakatiza vuniti.
19 satria izay fantatra ny amin’ Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ ireny, fa nasehon’ Andriamanitra taminy.
Ilyo njivaka kuti icho chiziveka kwe Ireeza chivoneka kwavo. Kaho Ireeza avavahi iseli.
20 Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’ Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo; (aïdios g126)
Kaho zisa voneki zakwe zivoneka hande kuzwa fela hakuvubwa kwe nkanda. Zi zuwahala che zintu ziva vubwa. Izi zintu nji manta akwe okuya kwile ni mukwa wakwe mulotu. Che nkalavo, ava vantu ka vena mavaka. (aïdios g126)
21 fa na dia nahalala an’ Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an’ Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
Ili njivaka, nanga havava kwizi ze Ireeza, kena vava munyamuni chokuva Ireeza, kapa kulitumela kwali. Kono, vavavi zihole mu mihupulo yavo, mi inkulo zavo zi sena mano yavo iva vikwa mwi fifi.
22 Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
Vava kulihinda kuti vena vutali, kona vava sanduki kuva zihole.
23 koa ny voninahitr’ Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
Vava lichinchi inkanya yoku samana Ireeza cho kuswana chiswaniso yo kumana kwa muntu, ya zizuni, ni zivatana za matende yone, nizi kokova.
24 Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
Cwale he Ireeza ava vahi kwavo ve ntakazo mwinkulo zavo chokusa jolola, kuti mivili yavo kanzi ikutekwa mukati kavo.
25 ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
Njivona vava chinchi initi ye Ireeza cha mapa, mi vava lapeli niku seveleza chiva vumbwa kusiya yava zivumbi, ya hewa intumbo kuya kwile. Amen. (aiōn g165)
26 Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;
Ke vaka lyechi, Ireeza avava siyi va yende che ntakazo zi swavisa, kaho vanakazi vava chinchi muvekalile kwecho chisa swaneli.
27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
Cho mukwa uwo, va kwame va siya mulawo wavo ku vanakazi nikuhya mwi ntakazo zavo kuhamwina. Ava va kwame vava pangi zintu isali njizona ni vamwi va kwame, mi vava amuheli mupuzo wavo kuzivavapangi.
28 Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an’ Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
Kakuti kena vava zuminizi kuva ni Ireeza mukapanga kwavo, avavahi ku muhupulo ulyangene, njokuti va pange zintu zisena hande.
29 ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo, ― feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po, ―
Vava kwizwile kusa jolola, kuva ni lunya, ni ntakazo, ni vuvi. Vezwile muuna, impulayo, inkani, kuchenga, ni zintu zivi.
30 mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan’ Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
Vasoha, vanyefuli, niva toyete Ireeza. Zi vangama, vena mwipo, vali nyamona. vatendi va zintu zivi, mi kave chilili va shemi vavo.
31 tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
Kavena inkutwisiso; kena voku sepa, kavena irato, mi kavena chishemo.
32 dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen’ Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.
Va zuwisisa inkatulo ye Ireeza, kuti avo va tenda izo zintu va swanela ifu. Kono kena kuti va panga izi zintu, va zuminiza ni vamwi va panga izi zintu.

< Romana 1 >