< Apokalypsy 9 >

1 Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos g12)
De vijfde engel blies: Toen zag ik een ster, die uit de hemel op aarde was neergevallen; en haar werd de sleutel gegeven van de put van de Afgrond. (Abyssos g12)
2 Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin’ ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin’ ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin’ ny lavaka. (Abyssos g12)
Ze opende de put van de Afgrond; rook steeg op uit de put als de rook van een geweldige oven; de zon en de lucht werden verduisterd door de rook uit de put. (Abyssos g12)
3 Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ ny setroka nankamin’ ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ ny maingoka amin’ ny tany.
En uit de rook stegen sprinkhanen op en streken neer op de aarde. En er werd hun een macht gegeven, zoals aardse schorpioenen die hebben.
4 Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ ny handriny ihany.
Maar er werd hun gezegd, dat ze het gras der aarde niet mochten beschadigen, geen groen en geen boom, doch enkel de mensen, die op het voorhoofd niet dragen het zegel van God.
5 Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ ny maingoka, raha mamely olona.
Niet werd hun vergund, ze te doden, maar wèl ze te kwellen vijf maanden lang; hun kwelling is pijnlijk als van een schorpioen, als hij een mens steekt.
6 Ary amin’ izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
In die dagen zullen de mensen de dood zoeken, maar hem niet vinden; smachten zullen ze om te sterven, maar de dood vliedt henen van hen.
7 Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin’ ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’ olona.
De sprinkhanen nu zagen er uit als paarden, toegerust tot de strijd. Op hun koppen droegen ze kronen als van goud; hun gezichten waren als die van een mens;
8 Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ ny liona.
hun haren gelijk aan vrouwenharen; hun tanden gelijk aan leeuwentanden.
9 Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ ny ady.
Ze droegen borstharnassen als ijzeren pantsers, en het geluid hunner vleugels was als het daveren van wagens met veel paarden, oprukkend ten strijd.
10 Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin’ ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
Als schorpioenen droegen ze staarten met angels, en in die staarten de macht, om de mensen te schaden, vijf maanden lang.
11 Ary manana ny anjelin’ ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin’ ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. (Abyssos g12)
Tot koning over zich hebben ze den Engel van de Afgrond: zijn naam is "Abaddon" in ‘t hebreeuws, "Apollion" is zijn naam in ‘t grieks. (Abyssos g12)
12 Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
Het eerste "Wee!" is voorbij: zie nog twee "Weeën" komen hierna.
13 Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin’ ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan’ Andriamanitra aho,
De zesde engel blies: En ik hoorde een stem uit de vier hoornen van het gouden altaar, dat staat voor het aanschijn van God.
14 nanao tamin’ ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
Ze riep tot den zesden engel met de bazuin: Laat los de vier engelen, die bij de grote rivier de Eufraat zijn gebonden!
15 Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
En losgelaten werden de vier engelen, die zich gereed hadden gemaakt voor het uur en de dag, de maand en het jaar, om het derde deel der mensen te doden.
16 Ary ny isan’ ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
Ik hoorde hun getal: Het getal der bereden strijdkrachten was twintigduizend maal tienduizend.
17 Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan’ ny soavaly dia tahaka ny lohan’ ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin’ ny vavany.
Zó zag ik in het visioen de paarden en hun berijders: ze droegen harnassen, vuurrood, paars, zwavelgrauw; de koppen der paarden waren als koppen van leeuwen; vuur, rook en zwavel kwam uit hun bek.
18 Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin’ ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
Door deze drie plagen werd het derde deel der mensen gedood, namelijk door het vuur, de rook en de zwavel uit hun bek.
19 Fa ny herin’ ny soavaly dia eo amin’ ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
Want de macht der paarden ligt in hun bek, maar tegelijk in hun staarten; immers hun staarten zijn slangen gelijk, en van koppen voorzien: ook hiermee brengen ze letsel toe.
20 Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ ny asan’ ny tànany, mba tsy hivavaka amin’ ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
En de rest van de mensen, die door deze plagen niet werden gedood, bekeerden zich toch niet van de werken hunner handen, van de aanbidding der duivels, en der beelden van goud, zilver en koper, steen en hout, die niet kunnen zien, niet horen, niet gaan;
21 ary tsy nibebaka tamin’ ny namonoany olona izy, na tamin’ ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ ny fijangajangany, na tamin’ ny halatra nataony koa.
ze bekeerden zich niet van hun moorden, hun toverij, hun ontucht en diefstal.

< Apokalypsy 9 >