< Apokalypsy 8 >

1 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
И кад отвори седми печат, поста тишина на небу око по сахата.
2 Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
И видех седам анђела који стајаху пред Богом, и даде им се седам труба.
3 Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.
И други анђео дође и стаде пред олтаром, и имаше кадионицу златну; и беше му дано много тамјана да да молитвама свих светих на олтар златни пред престолом.
4 Ary ny fofon’ ny ditin-kazo manitra mbamin’ ny vavaky ny olona masìna dia niakatra avy eo an-tànan’ ny anjely ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
И дим од кађења у молитвама светих изиђе од руке анђелове пред Бога.
5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ ny afo teo amin’ ny alitara ka nanipy izany tamin’ ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
И узе анђео кадионицу, и напуни је огња са олтара, и баци је на земљу, и посташе гласови и громови и севање муња и тресење земље.
6 Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
И седам анђела који имаху седам труба, приправише се да затрубе.
7 Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin’ ny tany irany; ary may ny ampahatelon’ ny tany, ary may ny ampahatelon’ ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
И први анђео затруби, и поста град и огањ, смешани с крвљу, и падоше на земљу; и трећина дрва изгоре, и свака трава зелена изгоре.
8 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon’ ny ranomasina;
И други анђео затруби; и као велика гора огњем запаљена паде у море; и трећина мора поста крв.
9 ary maty ny ampahatelon’ ny zava-manan’ aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ ny sambo.
И умре трећина створења које живи у мору, и трећина лађи пропаде.
10 Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin’ ny ampahatelon’ ny ony sy tamin’ ny loharano izany;
И трећи анђео затруби, и паде с неба велика звезда, која гораше као свећа, и паде на трећину река и на изворе водене.
11 ary ny anaran’ ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ ny rano; ary maro ny olona no matin’ ny rano, satria efa nangidy izany.
И име звезди беше Пелен; и трећина вода поста пелен, и многи људи помреше од вода, јер беху горке.
12 Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ ny masoandro sy ny ampahatelon’ ny volana ary ny ampahatelon’ ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
И четврти анђео затруби, и ударена би трећина сунца, и трећина месеца, и трећина звезда, да помрча трећина њихова, и трећина дана да не светли, тако и ноћи.
13 Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ ny lanitra aho, izay nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’ izay monina eny ambonin’ ny tany noho ny feo sisa an’ ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!
И видех, и чух једног анђела где лети посред неба и говори гласом великим: Тешко, тешко, тешко онима који живе на земљи од осталих гласова трубних тројице анђела, који ће трубити.

< Apokalypsy 8 >