< Apokalypsy 7 >

1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin’ ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ ny tany, mba tsy nisy rivotra hitsoka amin’ ny tany, na amin’ ny ranomasina, na amin’ ny hazo akory aza.
آنگاه چهار فرشته دیدم که در چهار گوشهٔ زمین ایستاده‌اند و نمی‌گذارند بادهای چهارگانه بر زمین بوزند، تا دیگر برگی بر درختان به حرکت در نیاید و دریا صاف و بی‌حرکت بماند.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe:
سپس، فرشتهٔ دیگری را دیدم که از مشرق می‌آمد و مهر بزرگ خدای زنده را به همراه می‌آورد. او به آن چهار فرشته‌ای که قدرت داشتند به زمین و دریا صدمه بزنند، گفت:
3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo anin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika.
«دست نگه دارید! به دریا و زمین و درختان آسیبی نرسانید، تا مهر خدا را به پیشانی بندگان او بزنم.»
4 Ary nahare ny isan’ izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ isiraely rehetra.
تعداد کسانی که از تمام قبیله‌های بنی‌اسرائیل مهر شدند، یکصد و چهل و چهار هزار نفر بود، از هر قبیله دوازده هزار. اسامی قبیله‌ها عبارت بودند از: یهودا، رئوبین، جاد، اشیر، نفتالی، منسی، شمعون، لاوی، یساکار، زبولون، یوسف و بنیامین.
5 Avy tamin’ ny firenen’ i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin’ ny firenen’ i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Gada roa arivo amby iray alina.
6 Avy tamin’ ny firenen’ i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Manase roa arivo amby iray alina.
7 Avy tamin’ ny firenen’ i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Levy roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ Isakara roa arivo amby iray alina.
8 Avy tamin’ ny firenen’ i Zebolona roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 Rehefa afaka izany dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
پس از آن، دیدم که گروه بزرگی از تمام قومها، قبیله‌ها، نژادها و زبانها، در پیشگاه تخت و در برابر برّه ایستاده‌اند. تعداد ایشان چنان زیاد بود که امکان شمارش وجود نداشت. ایشان لباسی سفید بر تن داشتند و در دستشان شاخه‌های نخل دیده می‌شد.
10 dia niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’ Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, sy ho an’ ny Zanak’ ondry.
آنان همگی با صدای بلند می‌گفتند: «نجات ما از جانب خدای ما که بر تخت نشسته، و از جانب برّه است.»
11 Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ ny loholona sy ny zava-manan’ aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’ Andriamanitra
در این هنگام، تمام فرشتگان گرداگرد تخت و پیران و چهار موجود زنده ایستادند. سپس، آنان در مقابل تخت سجده کرده، خدا را پرستش نمودند،
12 nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie Ho an’ Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
و گفتند: «آمین! حمد و جلال و حکمت، سپاس و حرمت، قدرت و قوت از آن خدای ما باد، تا به ابد. آمین!» (aiōn g165)
13 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
آنگاه یکی از آن بیست و چهار پیر به من رو کرد و پرسید: «آیا می‌دانی این سفیدپوشان چه کسانی هستند و از کجا آمده‌اند؟»
14 Fa hoy iraho taminy: Tompoko, ianao no mahalala. Dia hoy iry tamiko: Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.
جواب دادم: «این را تو می‌دانی، سرورم.» به من گفت: «اینها همان کسانی هستند که از عذاب سخت بیرون آمده‌اند. ایشان لباسهای خود را با خون”برّه“شسته و سفید کرده‌اند.
15 Ary noho izany ny akanjony nosasany sy mitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’ alina eo amin’ ny tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny trano-lainy handrakotra ary.
به همین جهت، اکنون در حضور تخت خدا هستند و او را شبانه روز در معبد او خدمت می‌کنند. او که بر تخت نشسته است، ایشان را در حضور خود پناه می‌دهد.
16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
آنان از این پس، از گرسنگی و تشنگی و گرمای سوزان نیمروز در امان خواهند بود،
17 Fa ny Zanak’ ondry Izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina; ary hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony.
زیرا”برّه“که پیش تخت ایستاده است، ایشان را خوراک داده، شبان آنان خواهد بود و ایشان را به چشمه‌های آب حیات هدایت خواهد کرد؛ و خدا هر اشکی را از چشمان ایشان پاک خواهد نمود.»

< Apokalypsy 7 >