< Apokalypsy 6 >
1 Ary nahita aho, rehefa novahan’ ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
Og jeg saa, da Lammet aabnede et af de syv Segl, og jeg hørte et af de fire Væsener sige som en Tordens Røst: Kom!
2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
Og jeg saa, og se en hvid Hest, og han, som sad paa den, havde en Bue; og der blev givet ham en Krone, og han drog ud sejrende og til Sejr.
3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’ aina faharoa nanao hoe: Avia.
Og da det aabnede det andet Segl, hørte jeg det andet Væsen sige: Kom!
4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ ny tany mba hifamonoan’ ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
Og der udgik en anden Hest, som var rød; og ham, som sad paa den, blev det givet at tage Freden bort fra Jorden, og at de skulde myrde hverandre; og der blev givet ham et stort Sværd.
5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan’ aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany.
Og da det aabnede det tredje Segl, hørte jeg det tredje Væsen sige: Kom! Og jeg saa, og se en sort Hest, og han, der sad paa den, havde en Vægt i sin Haand.
6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: venty ny vary tritika eran’ ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon’ ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao.
Og jeg hørte ligesom en Røst midt iblandt de fire Væsener, som sagde: Et Maal Hvede for en Denar og tre Maal Byg for en Denar; og Olien og Vinen skal du ikke gøre Skade.
7 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ ny zava-manan’ aina fahefatra nanao hoe: Avia.
Og da det aabnede det fjerde Segl, hørte jeg en Røst af det fjerde Væsen sige: Kom!
8 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran’ izay nitaingina ary atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin’ ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin’ ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia etỳ an-tany. (Hadēs )
Og jeg saa, og se en grøngul Hest, og han, som sad paa den, hans Navn var Døden, og Dødsriget fulgte med ham; og der blev givet dem Magt over Fjerdedelen af. Jorden til at ihjelslaa med Sværd og med Hunger og med Pest og ved Jordens vilde Dyr. (Hadēs )
9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ ny alitara ny fanahin’ izay voavono noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny.
Og da det aabnede det femte Segl, saa jeg under Alteret deres Sjæle, som vare myrdede for Guds Ords Skyld og for det Vidnesbyrds Skyld, som de havde.
10 Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masìna sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’ izay monina eny ambonin’ ny tany?
Og de raabte med høj Røst og sagde: Hvor længe, Herre, du hellige og sanddru! undlader du at dømme og hævne vort Blod paa dem, som bo paa Jorden?
11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
Og der blev givet dem hver især en lang hvid Klædning, og der blev sagt til dem, at de skulde hvile endnu en liden Tid, indtil ogsaa Tallet paa deres Medtjenere og deres Brødre blev fuldt, hvilke skulde ihjelslaas ligesom de.
12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’ osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
Og jeg saa, da det aabnede det sjette Segl, da skete der et stort Jordskælv, og Solen blev sort som en Haarsæk, og Maanen blev helt som Blod.
13 Ary ny kintana tamin’ ny lanitra dia niraraka tamin’ ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ ny rivotra mahery izy.
Og Himmelens Stjerner faldt ned paa Jorden, ligesom et Figentræ nedkaster sine umodne Figen, naar det rystes af et stærkt Vejr.
14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ ny fitoerany.
Og Himmelen veg bort, lig en Bog, der sammenrulles, og hvert Bjerg og hver Ø flyttedes fra deres Steder.
15 Ary ny mpanjakan’ ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ ny lavaka sy tao amin’ ny vatolampy eny an-tendrombohitra;
Og Kongerne paa Jorden og Stormændene og Krigsøversterne og de rige og de vældige og hver Træl og fri skjulte sig i Hulerne og i Bjergenes Kløfter,
16 ary hoy izy tamin’ ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ ny tavan’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy amin’ ny fahatezeran’ ny Zanak’ ondry;
og de sagde til Bjergene og Klipperne: Falder over os og skjuler os for hans Aasyn, som sidder paa Tronen, og for Lammets Vrede!
17 fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo, ka iza no mahajanona?
Thi deres Vredes store Dag er kommen; og hvem kan bestaa?