< Apokalypsy 5 >
1 Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
Kangi nikalola chitabu muchiwoko cha kulyela cha mwenuyo mweatamili pachigoda cha unkosi, chene chayandikwi mugati na kuvala na kudindwa kwa munemu wenuwo na kudindwa kwa minemu saba? Vidindilu vya mnemu.
2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin’ ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
Nikalola mtumu wa kunani kwa Chapanga mweavi na makakala ikemela kwa lwami luvaha, “Yani mweiyidakiliwa kugagandula chidindilu chitabu chenicho?”
3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin’ ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
Nambu avi lepi mundu yoyoha kunani kwa Chapanga amala pamulima amala pandima mweahotwili kudindula chitabu icho amala mweahotwili kuchilola mugati.
4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
Hinu nene navembili neju ndava muni avi lepi mundu mweayidakiliwi kuchidindula, amala kuchilola mugati.
5 Ary ny anankiray tamin’ ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda, dia ny Solofon’ i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
Kangi mmonga wa vagogo vala akanijovela, “Kotoka kuvemba! Lola Lihimba wa likabila la Yuda chiveleku cha Daudi, ahotwili. Mwene ihotola kugagandula vidindilu saba vya chitabu chenicho.”
6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina efatra ary teo afovoan’ ny loholona dia nisy Zanak’ ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton’ Andriamanitra nirahina hankany amin’ ny tany rehetra.
Kangi nikalola pagati ya chigoda cha Mwanalimbelele ayimili, atindilwi kila pandi na vala viumbi wumi mcheche na vagogo vala. Mwanalimbele uyo awonikini ngati ahinjiwi. Avili na mang'elu saba na mihu saba, ndi mipungu saba ya Chapanga zezapelikwi kila pandu pamulima.
7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
Mwanalimbelele akahamba, akatola chitabu chila kuhuma muchiwoko cha kulyela cha yula mweatamili pachigoda cha unkosi.
8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ ny olona masìna izany.
Bahapo peamali kutola chitabu chenicho, vala viumbi wumi mcheche pamonga na vala vagogo ishilini na mcheche vakagwa chakukupama palongolo ya Mwanalimbelele. Kila mmonga avili na kanjeke na nkeve wa zahabu wewamemili ubani na, ndi mayupu ga vandu va Chapanga.
9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an’ Andriamanitra olona avy tamin’ ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
Hinu, vakayimba lunyimbu ulu lwa mupya, “Veve wiyidakiliwa kuchitola chitabu chenicho na kudindula vidindilu vyaki. Ndava muni veve uhinjiwi, na kwa ngasi yaku umsangwili Chapanga witu vandu kuhuma kila likabila, luga na lukolo vandu va kila mulima langi ya kila mundu.
10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’ Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ ny tany izy.
Uvahengili unkosi wa vamteta vamhengela Chapanga witu, vene yati vilongosa mulima.”
11 Ary nahita aho sady nandre feon’ anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’ aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
Panayendalili kulola, nikayuwana lwami lwa vamitumu va kunani kwa Chapanga vamahele neju, vangavalangika. Vayimili kutindila chigoda cha unkosi, na viumbi wumi mcheche na vala vagogo,
12 nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Ny Zanak’ ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
vakajova kwa lwami luvaha: “Mwanalimbelele mweahinjiwi ayidakiliwi kupokela, uhotola vindu vyamahele na luhala na makakala na ukulu ulumba na utopesa.”
13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
Nikayuwana viumbi vyoha kunani kwa Chapanga na pamulima na pahi ya mulima na nyanja, viumbi vyoha pamulima vikajova: “Kwa mwene mweitama pachigoda cha unkosi na kwa Mwanalimbelele, ivya ulumba na utopela na ukulu na unkosi na makakala magono goha gangali mwishu.” (aiōn )
14 Ary ny zava-manan’ aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.
Vala viumbi wumi mcheche vakajova, “Ena!” Na vala vagogo vakagwa chakukupama, vakagundama.