< Apokalypsy 4 >
1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an’ ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.
Potom jsem viděl, a aj, dvéře otevřené v nebi, a ten hlas první, kterýž jsem byl slyšel jako trouby, an mluví se mnou, řkoucí: Vstup sem, a ukážiť, co se má díti potom.
2 Ary niaraka tamin’ izay dia voatsindrin’ ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
A hned jsem byl u vytržení ducha, a aj, trůn postaven byl na nebi, a na trůnu jeden seděl.
3 Ary ny tarehin’ ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’ emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.
A ten, kterýž seděl, podoben byl oblíčejem kameni jaspidu a sardiovi; a vůkol toho trůnu byla duha, na pohledění podobná smaragdu.
4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.
A okolo toho trůnu bylo trůnů čtyřmecítma, a na těch trůních viděl jsem čtyřmecítma starců sedících, oblečených v roucha bílá. A měli na hlavách svých koruny zlaté.
5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton’ Andriamanitra ireo.
A z toho trůnu pocházelo blýskání, a hromobití, a hlasové. A sedm lamp ohnivých hořících před trůnem, jenž jsou sedm duchů Božích.
6 Ary teo anoloan’ ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan’ aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.
Bylo také před tím trůnem moře sklené, podobné křištálu, a u prostřed trůnu a vůkol trůnu čtvero zvířat, plných očí s předu i s zadu.
7 Ary ny zava-manan’ aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan’ aina faharoa dia tahaka ny zanak’ omby, ary ny zava-manan’ aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’ olona, ary ny zava-manan’ aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.
První pak to zvíře podobné bylo lvu, a druhé zvíře podobné teleti, a třetí zvíře mající tvárnost člověka, a čtvrté zvíře podobné orlu letícímu.
8 Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
A jedno každé z těch čtyř zvířat mělo šest křídel okolo, a vnitř plná byla očí, a neměla odpočinutí dnem i nocí, říkajíce: Svatý, svatý, svatý Pán Bůh všemohoucí, kterýž byl, a jest, i přijíti má.
9 Ary raha ny zava-manan’ aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay, (aiōn )
A když ta zvířata vzdávala slávu, a čest, i díků činění sedícímu na trůnu, tomu živému na věky věků, (aiōn )
10 dia hiankohoka eo anoloan’ izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana ny loholona efatra amby roa-polo ka hivavaka amin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia hanipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ ny seza fiandrianana ka hanao hoe: (aiōn )
Padlo těch čtyřmecítma starců před oblíčejem toho sedícího na trůnu, a klanělo se tomu živému na věky věků, a metali koruny své před trůnem, řkouce: (aiōn )
11 Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.
Hoden jsi, Pane, přijíti slávu, a čest, i moc; nebo ty jsi stvořil všecky věci, a pro vůli tvou trvají, i stvořeny jsou.