< Apokalypsy 3 >

1 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ ilay manana ny Fanahy fiton’ Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.
“Kwa malaika wa kanisa lililoko Sardi andika: “Haya ndiyo maneno ya aliye na zile Roho sabaza Mungu na zile nyota saba. Nayajua matendo yako, kwamba una sifa ya kuwa hai, lakini umekufa.
2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’ Andriamanitro.
Amka! Nawe uyaimarishe yale yaliyosalia na yaliyo karibu kufa, kwa maana sikuona kwamba kazi zako zimekamilika machoni pa Mungu wangu.
3 Dia tsarovy ny amin’ ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.
Kumbuka basi yale uliyoyapokea na kuyasikia, yatii na ukatubu. Lakini usipoamka, nitakuja kama mwizi wala hutajua saa nitakayokuja kwako.
4 Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.
“Lakini bado una watu wachache katika Sardi ambao hawajayachafua mavazi yao. Wao wataenda pamoja nami, wakiwa wamevaa mavazi meupe, kwa maana wanastahili.
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny.
Yeye ashindaye atavikwa vazi jeupe kama wao. Sitafuta jina lake kutoka kitabu cha uzima, bali nitalikiri jina lake mbele za Baba yangu na mbele za malaika wake.
6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Yeye aliye na sikio na asikie yale ambayo Roho ayaambia makanisa.
7 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’ izay masìna, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
“Kwa malaika wa kanisa lililoko Filadelfia andika: “Haya ndiyo maneno yake yeye aliye mtakatifu na wa kweli, yeye aliye na ufunguo wa Daudi. Anachokifungua hakuna awezaye kukifunga, wala anachokifunga hakuna awezaye kukifungua.
8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.
Nayajua matendo yako. Tazama, nimeweka mbele yako mlango uliofunguliwa, wala hakuna awezaye kuufunga. Ninajua kwamba una nguvu kidogo lakini umelishika neno langu wala hukulikana Jina langu.
9 Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
Nitawafanya wale wa sinagogi la Shetani, wale ambao husema kuwa ni Wayahudi lakini sio, bali ni waongo, nitawafanya waje wapige magoti miguuni pako, na wakiri ya kwamba nimekupenda.
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ ny tany.
Kwa kuwa umeshika amri yangu ya kuvumilia katika saburi, nitakulinda katika saa ya kujaribiwa inayokuja ulimwenguni pote, ili kuwajaribu wote wakaao duniani.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
“Ninakuja upesi. Shika sana ulicho nacho, ili mtu asije akaichukua taji yako.
12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midìna avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
Yeye ashindaye nitamfanya kuwa nguzo katika hekalu la Mungu wangu, wala hatatoka humo kamwe. Nitaandika juu yake Jina la Mungu wangu na jina la mji mkubwa wa Mungu wangu, Yerusalemu mpya, ambao unashuka kutoka mbinguni kwa Mungu wangu. Nami pia nitaandika juu yake Jina langu jipya.
13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Yeye aliye na sikio na asikie yale ambayo Roho ayaambia makanisa.
14 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ izao zavatra noharin’ Andriamanitra izao:
“Kwa malaika wa kanisa lililoko Laodikia andika: “Haya ndiyo maneno yake yeye aliye Amen, shahidi mwaminifu na wa kweli, mtawala wa uumbaji wote wa Mungu.
15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
Nayajua matendo yako, ya kwamba wewe si baridi wala si moto. Afadhali ungelikuwa moja au lingine.
16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako ianao;
Hivyo kwa kuwa u vuguvugu, si baridi wala moto, nitakutapika utoke kinywani mwangu.
17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
Kwa maana unasema: ‘Mimi ni tajiri, nimejilimbikizia mali, wala sihitaji kitu chochote.’ Lakini hutambui ya kwamba wewe ni mnyonge, wa kuhurumiwa, maskini, kipofu, tena uliye uchi.
18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
Nakushauri ununue kutoka kwangu dhahabu iliyosafishwa kwa moto, ili upate kuwa tajiri, na mavazi meupe ili uyavae upate kuficha aibu ya uchi wako, na mafuta ya kupaka macho yako ili upate kuona.
19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
“Wale niwapendao, ninawakemea na kuwaadibisha. Hivyo uwe na bidii ukatubu.
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
Tazama! Nasimama mlangoni nabisha. Kama mtu yeyote akisikia sauti yangu na kufungua mlango, nitaingia ndani na kula pamoja naye, naye pamoja nami.
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianany.
“Yeye ashindaye nitampa haki ya kuketi pamoja nami kwenye kiti changu cha enzi, kama vile mimi nilivyoshinda na nikaketi pamoja na Baba yangu kwenye kiti chake cha enzi.
22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Yeye aliye na sikio na asikie yale ambayo Roho ayaambia makanisa.”

< Apokalypsy 3 >