< Apokalypsy 3 >
1 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ ilay manana ny Fanahy fiton’ Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.
Hu ntumwa owi kanisa elya Sardi simba: 'Amazu ogola yakhatilila zila empepo saba ezya Ngolobhe ne ntondwe saba. “Emenye hashele obhombile. Oli ne sifa eyaje olimwomi o-lifwe.
2 Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’ Andriamanitro.
Bhoha ogabheshesawa gagasageye, lelo gabhali gagapalamie afwe, afwatanaje sengalolile amambo gaho gakamilishe pamaso pa Ngolobhe wane.
3 Dia tsarovy ny amin’ ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.
Eshi izuha galagohaga posheye nagate jezye. Gogope mahweteshe. Lelo nkashele, sobhoha, ehayenza nashiomwibha sogohaimanya esala elihu yeha yenzela huliwe.
4 Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy.
Lelo huli na matawa mashe agabhantu hu Sardi bhashele sebha ilufizye. Amenda gabho bhaijenda pandwemo nane, bhakwete amenda amazelu, afataneje bhaibhajila.
5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ ny Raiko sy eo anatrehan’ ny anjeliny.
Ola yayimena aikwatiziwa amenda amazelu, sehailifuta itawa lyakwe afume hushitabu eshe hwomi, ehailitambula itawa lyakwe witagalila wa Baba wane, hwitagalila lya ntumi.
6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Nkoli ni kutu, tejezya Ompepo agabhozya amakanisa.”
7 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain’ izay masìna, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’ i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
Huntumi owikanisa lya Philadefia andika: Amazu yalimwinza nalyoli - yalinenfunkulo zya Daudi, afunga nomo yawezizye ahwigule.
8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.
Emenye hashele obhembile. Enya ebheshele witagalila lyaho olyango gwagwiguliwe gwashele nomo yawezizye. Ahwigule emenye olinazyo enguvu hashe, lelo olyogope izu lyane nasolikhene itawa lyane.
9 Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
Enye! Bhonti bhabhali bhe kanisa lya setani, bhala bhabhayanga aje abhene Wayahudi nkombe sevebho, peshobhakhopela embabhabheshe bhenze. Ahwishe mmanamagane bhabhamanye aje ehagene.
10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’ izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ ny tany.
Afatanaje obheshele endajizyo zyane avumilile hasa, embahulinde nesaa yaho, eyajalibiwe yashele ehwenza hunsi yonti, abhajalibu bhala bhoti bhabhakhala mnsi.
11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
Ewenza nanali. Khatilila sana hala holinao asaliabhe omntu owahweje etaji yaho.
12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midìna avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
Embahubhombe oyo yamena abhe linyoha lyenyumba ya Ngolobhe wane, sagaaifuma hwonze nkahashe. Ehaisimba itawa lyakwe Ongolobhe wane, itawa elyeboma lya Ngolobhe wane (E Yelusalemu empya, yewiha pansi afume amwanya bha Ngolobhe wane), ni tawa lyane ipya.
13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Omwene yalinikutu, naayonvwe gashele Ompepo ayanga humakanisa.'
14 Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ izao zavatra noharin’ Andriamanitra izao:
“Huntumi owikanisa lya Laodikia simba: 'Amazu gakwe gagali lyoli owategemele naoketi omwinza, omwanesho obhomba wa Ngolobhe.
15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
Emenye hashele obhombile, aje awe soli lisasa nantele mwoto nasongwaga aje obhe lisasa olwenje mwoto!
16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ ny vavako ianao;
Afwatanaje awe olifugutizu, saga mwoto wala lisasa embahutapishe ofume mwilomu lyane.
17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
Afwataneje oyanga, “Ane endi neshoma, endi ne shoma shinyinji, sehwanza hahonti.” Lelo somenye aje awe olinsi sana, wazugumilile, pena, mpobhela nauliwelelo.
18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
Tejezyo ulwanwo lwana: Kala huline edhahabu yeyoziwe humwoto opate abhe tajiri no mwenda ozeru gwagumelemeta okwatehwomwene osalanje welele waho, namafuta agapahale pamasogao obheolola.
19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
Hata yegene ehulanganyinza nahufundizye shashihwanziwa akhale; wesho abhe hwelyoli na hweteshe.
20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
Enya ehwemelela mndyanga ehwiguzya. Yayonti yahonvwa izu lyane nahwigula olyango, embahwenze nahwinjile mnyumba yakwe, nalye eshalyene hwo no mwene pandwemo nana.
21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianany.
Oyo yabhamene embahupele ehaki eyakale pansi pandwemo nane pamwanya pitengo lyane Igosi nashiane sehamenile nakhale pansi pandwemo no Baba wane pamwanya pitengo lyakwe igozi.
22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Oyo yali ni kutu, atejelezyaje gayanga Ompepo agabhozya amakanisa.”