< Apokalypsy 22 +
1 Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry
Puis il me montra un fleuve d’eau de la vie, clair comme du cristal, jaillissant du trône de Dieu et de l’Agneau,
2 teo afovoan’ ny lalambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
au milieu de la rue de la ville; et de part et d’autre du fleuve, des arbres de vie qui donnent douze fois leurs fruits, les rendant une fois par mois, et dont les feuilles servent à la guérison des nations.
3 Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
Il n’y aura plus aucun anathème; le trône de Dieu et de l’Agneau sera dans la ville; ses serviteurs le serviront, et
4 ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ ny handriny.
ils verront sa face, et son nom sera sur leurs fronts.
5 Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. (aiōn )
Il n’y aura plus de nuit, et ils n’auront besoin ni de la lumière de la lampe, ni de la lumière du soleil, parce que le Seigneur Dieu les illuminera; et ils régneront aux siècles des siècles. (aiōn )
6 Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
Et l’ange me dit: « Ces paroles sont certaines et véritables; et le Seigneur, le Dieu des esprits des prophètes, a envoyé son ange pour montrer à ses serviteurs les choses qui doivent arriver bientôt. —
7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity.
Voici que je viens bientôt. Heureux celui qui garde les paroles de la prophétie de ce livre! »
8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ ny tongotr’ ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
C’est moi, Jean, qui ai entendu et vu ces choses. Et après les avoir entendues et vues, je tombai aux pieds de l’ange qui me les montrait pour l’adorer.
9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
Mais il me dit: « Garde-toi de le faire! Je suis serviteur au même titre que toi, que tes frères, les prophètes, et que ceux qui gardent les paroles de ce livre. Adore Dieu. »
10 Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity, fa antomotra ny andro.
Et il me dit: « Ne scelle point les paroles de la prophétie de ce livre; car le moment est proche.
11 Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masìna, aoka mbola hihamasina ihany izy.
Que celui qui est injuste fasse encore le mal; que l’impur se souille encore; que le juste pratique encore la justice, et que le saint se sanctifie encore.
12 Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
Et voici que je viens bientôt, et ma rétribution est avec moi, pour rendre à chacun selon son œuvre.
13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
Je suis l’alpha et l’oméga, le premier et le dernier, le commencement et la fin.
14 Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna.
Heureux ceux qui lavent leurs robes, afin d’avoir droit à l’arbre de la vie, et afin d’entrer dans la ville par les portes!
15 Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
Dehors les chiens, les magiciens, les impudiques, les meurtriers, les idolâtres, et quiconque aime le mensonge et s’y adonne!
16 Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
C’est moi, Jésus, qui ai envoyé mon ange vous attester ces choses, pour les Églises. C’est moi qui suis le rejeton et le fils de David, l’étoile brillante du matin. »
17 Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.
Et l’Esprit et l’Épouse disent: « Venez! » Que celui qui entend dise aussi: « Venez! Que celui qui a soif, vienne! Que celui qui le désire, prenne de l’eau de la vie gratuitement! »
18 Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;
Je déclare aussi à quiconque entend les paroles de la prophétie de ce livre que, si quelqu’un y ajoute, Dieu le frappera des fléaux décrits dans ce livre;
19 ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masìna, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity.
et que, si quelqu’un retranche des paroles de ce livre prophétique, Dieu lui retranchera sa part de l’arbre de la vie et de la cité sainte, qui sont décrits dans ce livre.
20 Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
Celui qui atteste ces choses, dit: « Oui, je viens bientôt. » Amen! Venez, Seigneur Jésus!
21 Ho amin’ ny olona masìna anie ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo. Amena.
Que la grâce du Seigneur Jésus [Christ] soit avec [vous] tous! [Amen!]