< Apokalypsy 20 >
1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; (Abyssos )
Then I saw an angel coming down from heaven with the key to the Abyss, holding in his hand a great chain. (Abyssos )
2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona,
He seized the dragon, that ancient serpent who is the devil and Satan, and bound him for a thousand years.
3 dia nanipy ary ho amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. (Abyssos )
And he threw him into the Abyss, shut it, and sealed it over him, so that he could not deceive the nations until the thousand years were complete. After that, he must be released for a brief period of time. (Abyssos )
4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’ izay notapahin-doha noho ny filazana an’ i Jesosy sy ny tenin’ Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia na teo anoloan’ ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ ny handriny na ho eo amin’ ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’ i Kristy arivo taona.
Then I saw the thrones, and those seated on them had been given authority to judge. And I saw the souls of those who had been beheaded for their testimony of Jesus and for the word of God, and those who had not worshiped the beast or its image, and had not received its mark on their foreheads or hands. And they came to life and reigned with Christ for a thousand years.
5 Fa ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
The rest of the dead did not come back to life until the thousand years were complete. This is the first resurrection.
6 Sambatra sy masìna izay manana anjara amin’ ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’ Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
Blessed and holy are those who share in the first resurrection! The second death has no power over them, but they will be priests of God and of Christ, and will reign with Him for a thousand years.
7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin’ ny tranomaizina nitoerany
When the thousand years are complete, Satan will be released from his prison,
8 ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
and will go out to deceive the nations in the four corners of the earth—Gog and Magog—to assemble them for battle. Their number is like the sand of the seashore.
9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ ny olona masìna sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
And they marched across the broad expanse of the earth and surrounded the camp of the saints and the beloved city. But fire came down from heaven and consumed them.
10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo. (aiōn , Limnē Pyr )
And the devil who had deceived them was thrown into the lake of fire and sulfur, into which the beast and the false prophet had already been thrown. There they will be tormented day and night forever and ever. (aiōn , Limnē Pyr )
11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony.
Then I saw a great white throne and the One seated on it. Earth and heaven fled from His presence, and no place was found for them.
12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany.
And I saw the dead, great and small, standing before the throne. And there were open books, and one of them was the Book of Life. And the dead were judged according to their deeds, as recorded in the books.
13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. (Hadēs )
The sea gave up its dead, and Death and Hades gave up their dead, and each one was judged according to his deeds. (Hadēs )
14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin’ ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. (Hadēs , Limnē Pyr )
Then Death and Hades were thrown into the lake of fire. This is the second death—the lake of fire. (Hadēs , Limnē Pyr )
15 Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ ny bokin’ ny fiainana, dia natsipy tany amin’ ny farihy afo izy. (Limnē Pyr )
And if anyone was found whose name was not written in the Book of Life, he was thrown into the lake of fire. (Limnē Pyr )