< Apokalypsy 19 >

1 Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’ Andriamanitsika;
ততঃ পরং স্ৱর্গস্থানাং মহাজনতাযা মহাশব্দো ঽযং মযা শ্রূতঃ, ব্রূত পরেশ্ৱরং ধন্যম্ অস্মদীযো য ঈশ্ৱরঃ| তস্যাভৱৎ পরিত্রাণাং প্রভাৱশ্চ পরাক্রমঃ|
2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy ― Dia ilay nandoto ny tany tamin’ ny fijangajangany ― Ary namaly ary noho ny ran’ ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
ৱিচারাজ্ঞাশ্চ তস্যৈৱ সত্যা ন্যায্যা ভৱন্তি চ| যা স্ৱৱেশ্যাক্রিযাভিশ্চ ৱ্যকরোৎ কৃৎস্নমেদিনীং| তাং স দণ্ডিতৱান্ ৱেশ্যাং তস্যাশ্চ করতস্তথা| শোণিতস্য স্ৱদাসানাং সংশোধং স গৃহীতৱান্||
3 Dia niteny fanindroany ireo hoe: Halelola! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. (aiōn g165)
পুনরপি তৈরিদমুক্তং যথা, ব্রূত পরেশ্ৱরং ধন্যং যন্নিত্যং নিত্যমেৱ চ| তস্যা দাহস্য ধূমো ঽসৌ দিশমূর্দ্ধ্ৱমুদেষ্যতি|| (aiōn g165)
4 Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan’ aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’ Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
ততঃ পরং চতুর্ৱ্ৱিংশতিপ্রাচীনাশ্চৎৱারঃ প্রাণিনশ্চ প্রণিপত্য সিংহাসনোপৱিষ্টম্ ঈশ্ৱরং প্রণম্যাৱদন্, তথাস্তু পরমেশশ্চ সর্ৱ্ৱৈরেৱ প্রশস্যতাং||
5 Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an’ Andriamanitsika ianareo mpanompony rehetra, dia ianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
অনন্তরং সিংহাসনমধ্যাদ্ এষ রৱো নির্গতো, যথা, হে ঈশ্ৱরস্য দাসেযাস্তদ্ভক্তাঃ সকলা নরাঃ| যূযং ক্ষুদ্রা মহান্তশ্চ প্রশংসত ৱ ঈশ্ৱরং||
6 Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
ততঃ পরং মহাজনতাযাঃ শব্দ ইৱ বহুতোযানাঞ্চ শব্দ ইৱ গৃরুতরস্তনিতানাঞ্চ শব্দ ইৱ শব্দো ঽযং মযা শ্রুতঃ, ব্রূত পরেশ্ৱরং ধন্যং রাজৎৱং প্রাপ্তৱান্ যতঃ| স পরমেশ্ৱরো ঽস্মাকং যঃ সর্ৱ্ৱশক্তিমান্ প্রভুঃ|
7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry. Ka efa niomana ny vadiny.
কীর্ত্তযামঃ স্তৱং তস্য হৃষ্টাশ্চোল্লাসিতা ৱযং| যন্মেষশাৱকস্যৈৱ ৱিৱাহসমযো ঽভৱৎ| ৱাগ্দত্তা চাভৱৎ তস্মৈ যা কন্যা সা সুসজ্জিতা|
8 Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon’ ny olona masìna.
পরিধানায তস্যৈ চ দত্তঃ শুভ্রঃ সুচেলকঃ||
9 Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin’ ny fanasana fampakaram-badin’ ny Zanak’ ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin’ Andriamanitra.
স সুচেলকঃ পৱিত্রলোকানাং পুণ্যানি| ততঃ স মাম্ উক্তৱান্ ৎৱমিদং লিখ মেষশাৱকস্য ৱিৱাহভোজ্যায যে নিমন্ত্রিতাস্তে ধন্যা ইতি| পুনরপি মাম্ অৱদৎ, ইমানীশ্ৱরস্য সত্যানি ৱাক্যানি|
10 Dia niankohoka teo amin’ ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an’ i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an’ i Jesosy no fanahin’ ny faminaniana.
১০অনন্তরং অহং তস্য চরণযোরন্তিকে নিপত্য তং প্রণন্তুমুদ্যতঃ| ততঃ স মাম্ উক্তৱান্ সাৱধানস্তিষ্ঠ মৈৱং কুরু যীশোঃ সাক্ষ্যৱিশিষ্টৈস্তৱ ভ্রাতৃভিস্ত্ৱযা চ সহদাসো ঽহং| ঈশ্ৱরমেৱ প্রণম যস্মাদ্ যীশোঃ সাক্ষ্যং ভৱিষ্যদ্ৱাক্যস্য সারং|
11 Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
১১অনন্তরং মযা মুক্তঃ স্ৱর্গো দৃষ্টঃ, একঃ শ্ৱেতৱর্ণো ঽশ্ৱো ঽপি দৃষ্টস্তদারূঢো জনো ৱিশ্ৱাস্যঃ সত্যমযশ্চেতি নাম্না খ্যাতঃ স যাথার্থ্যেন ৱিচারং যুদ্ধঞ্চ করোতি|
12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
১২তস্য নেত্রে ঽগ্নিশিখাতুল্যে শিরসি চ বহুকিরীটানি ৱিদ্যন্তে তত্র তস্য নাম লিখিতমস্তি তমেৱ ৱিনা নাপরঃ কো ঽপি তন্নাম জানাতি|
13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin’ Andriamanitra.
১৩স রুধিরমগ্নেন পরিচ্ছদেনাচ্ছাদিত ঈশ্ৱরৱাদ ইতি নাম্নাভিধীযতে চ|
14 Ary ny antokon’ ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Ary, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
১৪অপরং স্ৱর্গস্থসৈন্যানি শ্ৱেতাশ্ৱারূঢানি পরিহিতনির্ম্মলশ্ৱেতসূক্ষ্মৱস্ত্রাণি চ ভূৎৱা তমনুগচ্ছন্তি|
15 Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.
১৫তস্য ৱক্ত্রাদ্ একস্তীক্ষণঃ খঙ্গো নির্গচ্ছতি তেন খঙ্গেন সর্ৱ্ৱজাতীযাস্তেনাঘাতিতৱ্যাঃ স চ লৌহদণ্ডেন তান্ চারযিষ্যতি সর্ৱ্ৱশক্তিমত ঈশ্ৱরস্য প্রচণ্ডকোপরসোৎপাদকদ্রাক্ষাকুণ্ডে যদ্যৎ তিষ্ঠতি তৎ সর্ৱ্ৱং স এৱ পদাভ্যাং পিনষ্টি|
16 Ary manana anarana voasoratra amin’ ny lambany sy ny feny Izy nanao hoe: MPANJAKAN’ NY MPANJAKA SY TOMPON’ NY TOMPO.
১৬অপরং তস্য পরিচ্ছদ উরসি চ রাজ্ঞাং রাজা প্রভূনাং প্রভুশ্চেতি নাম নিখিতমস্তি|
17 Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin’ ny masoandro, ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao tamin’ ny voro-manidina rehetra teo afovoan’ ny habakabaka hoe: Avia, ka miangòna ho amin’ ny fanasana lehiben’ Andriamanitra,
১৭অনন্তরং সূর্য্যে তিষ্ঠন্ একো দূতো মযা দৃষ্টঃ, আকাশমধ্য উড্ডীযমানান্ সর্ৱ্ৱান্ পক্ষিণঃ প্রতি স উচ্চৈঃস্ৱরেণেদং ঘোষযতি, অত্রাগচ্ছত|
18 mba hihinananareo ny nofon’ ny mpanjaka sy ny nofon’ ny mpifehy arivo sy ny nofon’ ny mahery sy ny nofon’ ny soavaly mbamin’ izay mitaingina azy ary ny nofon’ ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
১৮ঈশ্ৱরস্য মহাভোজ্যে মিলত, রাজ্ঞাং ক্রৱ্যাণি সেনাপতীনাং ক্রৱ্যাণি ৱীরাণাং ক্রৱ্যাণ্যশ্ৱানাং তদারূঢানাঞ্চ ক্রৱ্যাণি দাসমুক্তানাং ক্ষুদ্রমহতাং সর্ৱ্ৱেষামেৱ ক্রৱ্যাণি চ যুষ্মাভি র্ভক্ষিতৱ্যানি|
19 Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan’ ny tany mbamin’ ny miaramilany tafangona mba hiady amin’ ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ ny miaramilany.
১৯ততঃ পরং তেনাশ্ৱারূঢজনেন তদীযসৈন্যৈশ্চ সার্দ্ধং যুদ্ধং কর্ত্তুং স পশুঃ পৃথিৱ্যা রাজানস্তেষাং সৈন্যানি চ সমাগচ্ছন্তীতি মযা দৃষ্টং|
20 Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan’ ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Limnē Pyr g3041 g4442)
২০ততঃ স পশু র্ধৃতো যশ্চ মিথ্যাভৱিষ্যদ্ৱক্তা তস্যান্তিকে চিত্রকর্ম্মাণি কুর্ৱ্ৱন্ তৈরেৱ পশ্ৱঙ্কধারিণস্তৎপ্রতিমাপূজকাংশ্চ ভ্রমিতৱান্ সো ঽপি তেন সার্দ্ধং ধৃতঃ| তৌ চ ৱহ্নিগন্ধকজ্ৱলিতহ্রদে জীৱন্তৌ নিক্ষিপ্তৌ| (Limnē Pyr g3041 g4442)
21 Ary ny olona sisa dia matin’ ny sabatra mivoaka avy amin’ ny vavan’ ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
২১অৱশিষ্টাশ্চ তস্যাশ্ৱারূঢস্য ৱক্ত্রনির্গতখঙ্গেন হতাঃ, তেষাং ক্রৱ্যৈশ্চ পক্ষিণঃ সর্ৱ্ৱে তৃপ্তিং গতাঃ|

< Apokalypsy 19 >