< Apokalypsy 17 >
1 Ary tonga ny anjely anankiray tamin’ izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ ny rano maro,
Und es kam einer von den sieben Engeln mit den sieben Schalen zu mir und redete mit mir also: komm, ich zeige dir das Gericht über die große Buhlerin, die an den großen Wassern saß,
2 dia ilay nijangajangan’ ny mpanjakan’ ny tany, sady natao leon’ ny divain’ ny fijangajangany ny mponina tamin’ ny tany.
mit der die Könige der Erde Unzucht getrieben, und wurden trunken die Bewohner der Erde vom Wein ihrer Unzucht,
3 Dia nentiny tamin’ ny Fanahy ho any an’ efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
und er trug mich in eine Wüste im Geiste. Und ich sah ein Weib sitzen auf einem scharlachenen Tiere, voll Namen der Lästerung, mit sieben Köpfen und zehn Hörnern.
4 Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary perila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
Und das Weib war in Purpur und Scharlach gekleidet, und vergoldet mit Gold und Edelstein und Perlen, und hatte einen goldenen Becher in der Hand voll Greuel und Unsauberkeit ihrer Unzucht;
5 ary nisy anarana voasoratra teo amin’ ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN’ NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA, AMIN’ NY TANY.
und auf ihrer Stirne war ein Name geschrieben, im Geheimnis: Babylon die große, die Mutter der Buhler und der Greuel der Erde.
6 Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ ny ran ny olona masìna sy ny ran’ ny martioran’ i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
Und ich sah das Weib trunken vom Blut der Heiligen und vom Blut der Zeugen Jesus', und sah hin und wunderte mich groß da ich sie sah.
7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga ianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibi-dia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
Und der Engel sprach zu mir: warum wunderst du dich? ich will dir sagen das Geheimnis des Weibes und des Tieres das sie trägt, mit den sieben Köpfen und den zehn Hörnern.
8 Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ ny fandringanana; ary ny monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainana hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibi-dia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray. (Abyssos )
Das Tier, das du sahst, war und ist nicht, und soll heraufsteigen aus dem Abgrund und hingehen zum Verderben; und es werden sich wundern die Bewohner der Erde, deren Name nicht eingeschrieben ist in das Buch des Lebens von Grundlegung der Welt her, wenn sie sehen das Tier, daß es war und nicht ist, und wiederkommen wird. (Abyssos )
9 Indro ny hevitra iray misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy.
Hier der Sinn nach der Weisheit: die sieben Köpfe sind sieben Berge, worauf das Weib sitzt. Zugleich sind es sieben Könige.
10 Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, ka ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
Die fünf sind gefallen, der eine ist, der andere ist noch nicht gekommen, und wenn er kommt, darf er nur kurz verweilen.
11 Ary ny bibi-dia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman’ ny fito mahavalo ary ka lasa ho amin’ ny fandringanana.
Und das Tier, das war und nicht ist, ist selbst der achte, und doch einer von den sieben, und geht dahin ins Verderben.
12 Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ ny bibi-dia izy.
Und die zehn Hörner die du sahst, sind zehn Könige, welche die Herrschaft noch nicht empfangen haben, aber sie bekommen Gewalt als Könige auf Eine Stunde mit dem Tier.
13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ ilay bibi-dia.
Diese haben einerlei Sinn, und geben ihre Macht und Gewalt dem Tiere.
14 Ireo dia hiady amin’ ny Zanak’ ondry, ary ny Zanak’ ondry haharesy azy, satria Tompon’ ny tompo sy Mpanjakan’ ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Sie werden mit dem Lamm streiten, und das Lamm wird sie besiegen; denn es ist der Herr der Herrn und König der Könige, und seine Genossen sind berufene, auserwählte und getreue.
15 Ary hoy izy tamiko: Ny rano ela hitanao, izay ipetrahan’ ilay vehivavy janga, dia olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny.
Und er sagt zu mir: die Wasser die du sahst, wo die Buhlerin sitzt, das sind Völker und Massen und Nationen und Sprachen.
16 Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ ny afo.
Und die zehn Hörner, die du sahst, und das Tier, die werden die Buhlerin hassen, und einsam stellen und bloß, und werden von ihrem Fleisch zehren, und sie mit Feuer verbrennen.
17 Fa Andriamanitra efa nanome fo ireo hanatanteraka ny heviny sy hifanara-tsaina ary hanome ny fanjakany ho an’ ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin’ Andriamanitra.
Denn Gott hat ihnen ins Herz gegeben seinen Sinn zu vollstrecken, und in Einem Sinn zu handeln, und ihr Reich dem Tiere zu geben, bis die Worte Gottes erfüllt sind.
18 Ary ravehivavy, ilay hitanao, dia tanàna lehibe, izay manjaka amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
Und das Weib, das du sahst, ist die große Stadt, die das Königtum hat über die Könige der Erde.