< Apokalypsy 15 >

1 Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.
然后我看到天空中另外一个神奇重要的信号。七位天使拿着完成上帝审判的最后七个灾难。
2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra.
我看到一个看起来像玻璃海的东西,混合着火。在玻璃海旁边站着那些打败这头野兽的人,还有他的形象以及他名字的编号。他们有上帝赐予的竖琴,
3 Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
唱着上帝仆人摩西的歌和羔羊的歌:“你的所作所为伟大而奇妙,主神,全能者。万国之王,你的道路是正确和真实。
4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masìna, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
主啊!谁敢不敬畏你?谁敢不荣耀你的名?因为只有你是神圣的,万国都要来,在你面前下拜,因为你的正义作为已经显明。”
5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ ny vavolombelona tany an-danitra;
在这之后,我看了看,“见证的帐幕” 的圣殿被打开了。
6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
那掌管着末后七灾的七位天使,从圣殿出来,穿著清洁的白色麻衣,胸间束着金带。
7 Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. (aiōn g165)
四个活物之一,把盛满永恒上帝判决的七个金碗,交给那七位天使。 (aiōn g165)
8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.
圣殿中充满了来自上帝荣耀和他力量的烟雾。直到七位天使的七灾结束前,都没有人能够进入圣殿。

< Apokalypsy 15 >