< Apokalypsy 15 >
1 Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.
2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra.
3 Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masìna, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
5 Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ ny vavolombelona tany an-danitra;
6 ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
7 Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. (aiōn )
8 Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.