< Apokalypsy 14 >
1 Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran’ ny Rainy voasoratra eo amin’ ny handriny.
Kisha nikaona mlima Sioni, na Mwanakondoo amesimama juu yake; pamoja naye walikuwa watu mia moja arobaini na nne elfu ambao juu ya paji za nyuso zao walikuwa wameandikwa jina la Mwanakondoo na jina la Baba yake.
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
Basi, nikasikia sauti kutoka mbinguni, sauti iliyokuwa kama sauti ya maji mengi na kama sauti ya ngurumo kubwa. Sauti niliyosikia ilikuwa kama sauti ya wachezaji muziki wakipiga vinubi vyao.
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ ny zava-manan’ aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ ny tany.
Walikuwa wanaimba wimbo mpya mbele ya kiti cha enzi na mbele ya wale viumbe hai wanne na wale wazee. Hakuna mtu aliyeweza kujifunza wimbo huo isipokuwa hao watu mia moja arobaini na nne elfu waliokombolewa duniani.
4 Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry.
Watu hao ndio wale waliojiweka safi kwa kutoonana kimwili na wanawake, nao ni mabikira. Wao humfuata Mwanakondoo kokote aendako. Wamekombolewa kutoka miongoni mwa binadamu wengine, wakawa wa kwanza kutolewa kwa Mungu na kwa Mwanakondoo.
5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
Hawakupata kamwe kuwa waongo; hawana hatia yoyote.
6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, (aiōnios )
Kisha nikamwona malaika mwingine anaruka juu angani akiwa na Habari Njema ya milele ya Mungu, aitangaze kwa watu wote waishio duniani, kwa mataifa yote, makabila yote, watu wa lugha zote na rangi zote. (aiōnios )
7 nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
Akasema kwa sauti kubwa, “Mcheni Mungu na kumtukuza! Maana saa imefika ya kutoa hukumu yake. Mwabuduni yeye aliyeumba mbingu na nchi, bahari na chemchemi za maji.”
8 Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
Malaika wa pili alimfuata huyo wa kwanza akisema, “Ameanguka! Naam, Babuloni mkuu ameanguka! Babuloni ambaye aliwapa mataifa yote wainywe divai yake—divai kali ya uzinzi wake!”
9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany,
Na malaika wa tatu aliwafuata hao wawili akisema kwa sauti kubwa, “Yeyote anayemwabudu yule mnyama na sanamu yake na kukubali kutiwa alama yake juu ya paji la uso wake au juu ya mkono wake,
10 dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masìna sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry iry;
yeye mwenyewe atakunywa divai ya ghadhabu ya Mungu, ambayo imemiminwa katika kikombe cha ghadhabu yake bila kuchanganywa na maji. Mtu huyo atateseka ndani ya moto na kiberiti mbele ya malaika watakatifu na mbele ya Mwanakondoo.
11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. (aiōn )
Moshi wa moto unaowatesa kupanda juu milele na milele. Watu hao waliomwabudu huyo mnyama na sanamu yake, na kutiwa alama ya jina lake, hawatakuwa na nafuu yoyote usiku na mchana.” (aiōn )
12 Indro ny faharetan’ ny olona masìna, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy.
Kutokana na hayo, ni lazima watu wa Mungu, yaani watu wanaotii amri ya Mungu na kumwamini Yesu, wawe na uvumilivu.
13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
Kisha nikasikia sauti kutoka mbinguni ikisema, “Andika! Heri watu ambao tangu sasa wanakufa wakiwa wameungana na Bwana.” Naye Roho asema, “Naam! Watapumzika kutoka taabu zao; maana matunda ya jasho lao yatawafuata.”
14 Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’ Olona nipetraka teo ambonin’ ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
Kisha nikatazama, na kumbe palikuwapo wingu jeupe hapo. Na juu ya wingu hilo kulikuwa na kiumbe kama mtu. Alikuwa amevaa taji ya dhahabu kichwani, na kushika mundu mkononi mwake.
15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao tamin’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
Kisha malaika mwingine akatoka Hekaluni, na kwa sauti kubwa akamwambia yule aliyekuwa amekaa juu ya wingu, “Tafadhali, tumia mundu wako ukavune mavuno, maana wakati wa mavuno umefika; mavuno ya dunia yameiva.”
16 Dia naroson’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona tamin’ ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
Basi, yule aliyekuwa amekaa juu ya wingu akautupa mundu wake duniani, na mavuno ya dunia yakavunwa.
17 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
Kisha malaika mwingine akatoka katika Hekalu mbinguni akiwa na mundu wenye makali.
18 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin’ ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
Kisha malaika mwingine msimamizi wa moto, akatoka madhabahuni akamwambia kwa sauti kubwa yule malaika mwenye mundu wenye makali, “Nawe tia huo mundu wako mkali, ukakate vichala vya mizabibu ya dunia, maana zabibu zake zimeiva!”
19 Ary naroson’ ilay anjely tamin’ ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’ Andriamanitra.
Basi, malaika huyo akautupa mundu wake duniani, akakata zabibu za dunia, akazitia ndani ya chombo kikubwa cha kukamulia zabibu, chombo cha ghadhabu ya Mungu.
20 Ary voahitsaka teny ivelan’ ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin’ ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin’ ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ ny enin-jato amby arivo stadio.
Zabibu zikakamuliwa ndani ya hilo shinikizo lililoko nje ya mji, na damu ikatoka katika shinikizo hilo mtiririko mrefu kiasi cha mita mia tatu na kina chake kiasi cha mita mia mbili.