< Apokalypsy 14 >

1 Ary hitako fa, indro, ny Zanak’ ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran’ ny Rainy voasoratra eo amin’ ny handriny.
តតះ បរំ និរីក្ឞមាណេន មយា មេឞឝាវកោ ទ្ឫឞ្ដះ ស សិយោនបវ៌្វតស្យោបយ៌្យតិឞ្ឋត៑, អបរំ យេឞាំ ភាលេឞុ តស្យ នាម តត្បិតុឝ្ច នាម លិខិតមាស្តេ តាទ្ឫឝាឝ្ចតុឝ្ចត្វារិំឝត្សហស្រាធិកា លក្ឞលោកាស្តេន សាទ៌្ធម៑ អាសន៑។
2 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
អនន្តរំ ពហុតោយានាំ រវ ឥវ គុរុតរស្តនិតស្យ ច រវ ឥវ ឯកោ រវះ ស្វគ៌ាត៑ មយាឝ្រាវិ។ មយា ឝ្រុតះ ស រវោ វីណាវាទកានាំ វីណាវាទនស្យ សទ្ឫឝះ។
3 Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ ny zava-manan’ aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ ny tany.
សិំហសនស្យាន្តិកេ ប្រាណិចតុឞ្ដយស្យ ប្រាចីនវគ៌ស្យ ចាន្តិកេ ៜបិ តេ នវីនមេកំ គីតម៑ អគាយន៑ កិន្តុ ធរណីតះ បរិក្រីតាន៑ តាន៑ ចតុឝ្ចត្វារិំឝត្យហស្រាធិកលក្ឞលោកាន៑ វិនា នាបរេណ កេនាបិ តទ៑ គីតំ ឝិក្ឞិតុំ ឝក្យតេ។
4 Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry.
ឥមេ យោឞិតាំ សង្គេន ន កលង្កិតា យតស្តេ ៜមៃថុនា មេឞឝាវកោ យត៑ កិមបិ ស្ថានំ គច្ឆេត៑ តត្សវ៌្វស្មិន៑ ស្ថានេ តម៑ អនុគច្ឆន្តិ យតស្តេ មនុឞ្យាណាំ មធ្យតះ ប្រថមផលានីវេឝ្វរស្យ មេឞឝាវកស្យ ច ក្ឫតេ បរិក្រីតាះ។
5 Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
តេឞាំ វទនេឞុ ចាន្ឫតំ កិមបិ ន វិទ្យតេ យតស្តេ និទ៌្ទោឞា ឦឝ្វរសិំហាសនស្យាន្តិកេ តិឞ្ឋន្តិ។
6 Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, (aiōnios g166)
អនន្តរម៑ អាកាឝមធ្យេនោឌ្ឌីយមានោ ៜបរ ឯកោ ទូតោ មយា ទ្ឫឞ្ដះ សោ ៜនន្តកាលីយំ សុសំវាទំ ធារយតិ ស ច សុសំវាទះ សវ៌្វជាតីយាន៑ សវ៌្វវំឝីយាន៑ សវ៌្វភាឞាវាទិនះ សវ៌្វទេឝីយាំឝ្ច ប្ឫថិវីនិវាសិនះ ប្រតិ តេន ឃោឞិតវ្យះ។ (aiōnios g166)
7 nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’ izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
ស ឧច្ចៃះស្វរេណេទំ គទតិ យូយមីឝ្វរាទ៑ ពិភីត តស្យ ស្តវំ កុរុត ច យតស្តទីយវិចារស្យ ទណ្ឌ ឧបាតិឞ្ឋត៑ តស្មាទ៑ អាកាឝមណ្ឌលស្យ ប្ឫថិវ្យាះ សមុទ្រស្យ តោយប្រស្រវណានាញ្ច ស្រឞ្ដា យុឞ្មាភិះ ប្រណម្យតាំ។
8 Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
តត្បឝ្ចាទ៑ ទ្វិតីយ ឯកោ ទូត ឧបស្ថាយាវទត៑ បតិតា បតិតា សា មហាពាពិល៑ យា សវ៌្វជាតីយាន៑ ស្វកីយំ វ្យភិចាររូបំ ក្រោធមទម៑ អបាយយត៑។
9 Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany,
តត្បឝ្ចាទ៑ ត្ឫតីយោ ទូត ឧបស្ថាយោច្ចៃរវទត៑, យះ កឝ្ចិត តំ ឝឝុំ តស្យ ប្រតិមាញ្ច ប្រណមតិ ស្វភាលេ ស្វករេ វា កលង្កំ គ្ឫហ្លាតិ ច
10 dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidina tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin’ ny afo sy solifara eo anatrehan’ ny anjely masìna sy eo anatrehan’ ny Zanak’ ondry iry;
សោ ៜបីឝ្វរស្យ ក្រោធបាត្រេ ស្ថិតម៑ អមិឝ្រិតំ មទត៑ អត៌្ហត ឦឝ្វរស្យ ក្រោធមទំ បាស្យតិ បវិត្រទូតានាំ មេឞឝាវកស្យ ច សាក្ឞាទ៑ វហ្និគន្ធកយោ រ្យាតនាំ លប្ស្យតេ ច។
11 ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. (aiōn g165)
តេឞាំ យាតនាយា ធូមោ ៜនន្តកាលំ យាវទ៑ ឧទ្គមិឞ្យតិ យេ ច បឝុំ តស្យ ប្រតិមាញ្ច បូជយន្តិ តស្យ នាម្នោ ៜង្កំ វា គ្ឫហ្លន្តិ តេ ទិវានិឝំ កញ្ចន វិរាមំ ន ប្រាប្ស្យន្តិ។ (aiōn g165)
12 Indro ny faharetan’ ny olona masìna, dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy.
យេ មានវា ឦឝ្វរស្យាជ្ញា យីឝៅ វិឝ្វាសញ្ច បាលយន្តិ តេឞាំ បវិត្រលោកានាំ សហិឞ្ណុតយាត្រ ប្រកាឝិតវ្យំ។
13 Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
អបរំ ស្វគ៌ាត៑ មយា សហ សម្ភាឞមាណ ឯកោ រវោ មយាឝ្រាវិ តេនោក្តំ ត្វំ លិខ, ឥទានីមារភ្យ យេ ប្រភៅ ម្រិយន្តេ តេ ម្ឫតា ធន្យា ឥតិ; អាត្មា ភាឞតេ សត្យំ ស្វឝ្រមេភ្យស្តៃ រ្វិរាមះ ប្រាប្តវ្យះ តេឞាំ កម៌្មាណិ ច តាន៑ អនុគច្ឆន្តិ។
14 Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak’ Olona nipetraka teo ambonin’ ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
តទនន្តរំ និរីក្ឞមាណេន មយា ឝ្វេតវណ៌ ឯកោ មេឃោ ទ្ឫឞ្ដស្តន្មេឃារូឍោ ជនោ មានវបុត្រាក្ឫតិរស្តិ តស្យ ឝិរសិ សុវណ៌កិរីដំ ករេ ច តីក្ឞ្ណំ ទាត្រំ តិឞ្ឋតិ។
15 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao tamin’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
តតះ បរម៑ អន្យ ឯកោ ទូតោ មន្ទិរាត៑ និគ៌ត្យោច្ចៃះស្វរេណ តំ មេឃារូឍំ សម្ភាឞ្យាវទត៑ ត្វយា ទាត្រំ ប្រសាយ៌្យ ឝស្យច្ឆេទនំ ក្រិយតាំ ឝស្យច្ឆេទនស្យ សមយ ឧបស្ថិតោ យតោ មេទិន្យាះ ឝស្យានិ បរិបក្កានិ។
16 Dia naroson’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny rahona tamin’ ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
តតស្តេន មេឃារូឍេន ប្ឫថិវ្យាំ ទាត្រំ ប្រសាយ៌្យ ប្ឫថិវ្យាះ ឝស្យច្ឆេទនំ ក្ឫតំ។
17 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin’ ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
អនន្តរម៑ អបរ ឯកោ ទូតះ ស្វគ៌ស្ថមន្ទិរាត៑ និគ៌តះ សោ ៜបិ តីក្ឞ្ណំ ទាត្រំ ធារយតិ។
18 Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin’ ny alitara, ary nanana fahefana tamin’ ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin’ ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin’ ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
អបរម៑ អន្យ ឯកោ ទូតោ វេទិតោ និគ៌តះ ស វហ្នេរធិបតិះ ស ឧច្ចៃះស្វរេណ តំ តីក្ឞ្ណទាត្រធារិណំ សម្ភាឞ្យាវទត៑ ត្វយា ស្វំ តីក្ឞ្ណំ ទាត្រំ ប្រសាយ៌្យ មេទិន្យា ទ្រាក្ឞាគុច្ឆច្ឆេទនំ ក្រិយតាំ យតស្តត្ផលានិ បរិណតានិ។
19 Ary naroson’ ilay anjely tamin’ ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’ Andriamanitra.
តតះ ស ទូតះ ប្ឫថិវ្យាំ ស្វទាត្រំ ប្រសាយ៌្យ ប្ឫថិវ្យា ទ្រាក្ឞាផលច្ឆេទនម៑ អករោត៑ តត្ផលានិ ចេឝ្វរស្យ ក្រោធស្វរូបស្យ មហាកុណ្ឌស្យ មធ្យំ និរក្ឞិបត៑។
20 Ary voahitsaka teny ivelan’ ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin’ ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin’ ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ ny enin-jato amby arivo stadio.
តត្កុណ្ឌស្ថផលានិ ច ពហិ រ្មទ៌្ទិតានិ តតះ កុណ្ឌមធ្យាត៑ និគ៌តំ រក្តំ ក្រោឝឝតបយ៌្យន្តម៑ អឝ្វានាំ ខលីនាន៑ យាវទ៑ វ្យាប្នោត៑។

< Apokalypsy 14 >