< Apokalypsy 13 >
1 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
И стадох на песку морском; и видех звер где излази из мора, која имаше седам глава, и рогова десет, и на роговима њеним десет круна, а на главама њеним имена хулна.
2 Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
И звер коју видех беше као рис, и ноге јој као у медведа, и уста њена као уста лавова, и даде јој змија силу своју, и престо свој, и област велику.
3 Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.
И видех једну од глава њених као рањену на смрт, и рана смрти њене излечи се. И чуди се сва земља иза звери, и поклонише се змији, која даде област звери.
4 Ary dia niankohoka teo anoloan’ ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an’ ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan’ ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?
И поклонише се звери говорећи: Ко је као звер? И ко може ратовати с њом?
5 Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
И дана јој бише уста која говоре велике ствари и хуљења, и дана јој би област да чини четрдесет и два месеца.
6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
И отвори уста своја за хуљење на Бога, да хули на име Његово, и на кућу Његову, и на оне који живе на небу.
7 Ary navela hiady tamin’ ny olona masìna izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra iry.
И дано јој би да се бије са светима, и да их победи; и дана јој би област над сваким коленом и народом и језиком и племеном.
8 Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin’ ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny fiainan’ ny Zanak’ ondry, izay voavono hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao.
И поклонише јој се сви који живе на земљи којима имена нису записана у животној књизи Јагњета, које је заклано од постања света.
9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
Ако ко има ухо нека чује.
10 Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin’ ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin’ ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan’ ny olona masìna.
Ко у ропство води, биће у ропство одведен; ко ножем убије ваља да он ножем буде убијен. Овде је трпљење и вера светих.
11 Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
И видех другу звер где излази из земље, и имаше два рога као у јагњета; и говораше као аждаха.
12 Ary ny fahefana rehetra nananan’ ilay bibi-dia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin’ izay monina eo dia asainy miankohoka eo alohan’ ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ ilay feriny saiky nahafaty azy.
И сву власт прве звери чињаше пред њом; и учини да земља и који живе на њој поклони се првој звери којој се исцели рана смртна.
13 Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin’ ny tany eo imason’ ny olona aza.
И учини чудеса велика, и учини да и огањ силази с неба на земљу пред људима.
14 Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.
И вара оне који живе на земљи знацима, који јој бише дани да чини пред звери, говорећи онима што живе на земљи да начине икону звери која имаде рану смртну и оста жива.
15 Ary navela hanisy aina ny sarin’ ny bibi-dia izy, mba hahateny ny sarin’ ny bibi-dia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan’ ny sarin’ ny bibi-dia.
И би јој дано да даде дух икони звериној, да проговори икона зверина, и да учини да се побију који се год не поклоне икони звериној.
16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin’ ny tànany ankavanana na eo amin’ ny handriny avokoa,
И учини све, мале и велике, богате и сиромашне, слободњаке и робове, те им даде жиг на десној руци њиховој или на челима њиховим,
17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ ny bibi-dia, na ny isan’ ny anarany.
Да нико не може ни купити ни продати, осим ко има жиг, или име звери, или број имена њеног.
18 Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan’ ny bibi-dia, fa fanisan’ olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
Овде је мудрост. Ко има ум нека израчуна број звери: јер је број човеков и број њен шест стотина и шездесет и шест.