< Apokalypsy 12 >

1 Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin’ ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin’ ny folo amin’ ny lohany,
Na nebi se objevil nápadný úkaz: Žena oděná sluncem, s měsícem pod nohama a korunou z dvanácti hvězd na hlavě.
2 sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
Byla těhotná a sténala, protože přicházely její porodní bolesti.
3 Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.
Vzápětí další úkaz na obloze: Veliký ohnivě zbarvený drak se sedmi hlavami a deseti rohy, na každé hlavě korunu.
4 Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon’ ny kintana amin’ ny lanitra ka manjera ireny ho amin’ ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan’ ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
Ocasem smetl třetinu hvězd z nebe na zem. Postavil se před ženu a číhal, aby sežral její dítě, jakmile se narodí.
5 ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.
Porodila chlapce, který má vládnout všem národům železnou rukou. Bůh však vzal to dítě a přenesl je ke svému trůnu.
6 Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
Žena utekla na poušť, kde ji Bůh ukrýval a pečoval o ni dvanáct set šedesát dní.
7 Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny kosa dia niady,
V nebi se strhla bitva: Michael se svými anděly bojoval proti draku a jeho andělům.
8 nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
Veliký drak se svou družinou byl poražen, vyhnán z nebe a svržen na zem. To je ten dávný had z ráje, nepřítel, pomlouvač a svůdce všech lidí.
9 Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
10 Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’ Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’ alina.
Nebem zazněl mohutný hlas: „Nyní se dovršilo dílo záchrany. Bůh dokázal svoji plnou moc, nastolil svoje království a Kristus se ujal vlády. Je svržen žalobce, který dnem i nocí osočoval naše bratry před Bohem.
11 Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
Zvítězili nad ním krví Krista, Beránka obětovaného za ně, a svým svědectvím o něm. Nemilovali svůj život natolik, aby se zalekli smrti.
12 Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
Jásejte nebesa! Jásejte, vy na nebi! Ale běda zemi a moři. Vrhl se na vás ďábel a zuří – ví, jak málo času mu zbývá.“
13 Ary rehefa hitan’ ilay dragona fa nazera tamin’ ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
Když se drak octl na zemi, začal pronásledovat tu ženu, která porodila toho chlapce.
14 Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.
Ona však dostala orlí křídla, aby mohla uletět do pustiny, kde se před tím hadem ukrývala po tři a půl roku.
15 Ary ilay menarana namoaka rano tamin’ ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin’ ny riaka iry.
Had vychrlil z tlamy mohutný proud vody, aby ženu smetl.
16 Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin’ ny vavany.
Země jí však přišla na pomoc: otevřela své útroby a proud pohltila.
17 Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ ny fasiky ny ranomasina izy.
Rozlícený drak se chtěl ženě pomstít, a tak rozpoutal boj proti jejím ostatním dětem, které zachovávají Boží přikázání a je jim svěřeno Ježíšovo poselství.

< Apokalypsy 12 >