< Apokalypsy 10 >
1 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
És láttam egy másik erős angyalt leszállni az égből, aki felhőbe öltözött és a fején szivárvány volt és az arca olyan volt, mint a nap és lábai, mint a tűzoszlopok.
2 ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin’ ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin’ ny tany;
És kezében egy nyitott könyvecske volt, és jobb lábát a tengerre, bal lábát pedig a földre tette.
3 ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
És hangosan kiáltott, mint amikor az oroszlán ordít, és amikor kiáltott, megszólaltatta a hét menydörgést is a maga hangján.
4 Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin’ ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
És amikor a hét mennydörgés megszólaltatta hangját, írni akartam, de az égből szózatot hallottam, amely ezt mondta nekem: „Pecsételd le, amiket a hét mennydörgés mondott, és azokat ne írd le“.
5 Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin’ ny ranomasina sy teo ambonin’ ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin’ ny lanitra
És az angyal, akit állni láttam a tengeren és a földön, felemelte kezét az égre,
6 ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; (aiōn )
és megesküdött arra, aki örökkön örökké él, aki teremtette az eget és a benne lévőket, és a földet és a benne lévőket, és a tengert és a benne lévőket, hogy nem lesz több időhaladék, (aiōn )
7 fa amin’ ny andro hitsofan’ ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ ny mpaminany mpanompony
hanem azokban a napokban, amikor a hetedik angyal trombitálni kezd, beteljesedik Istennek a titka, amint megmondta az ő szolgáinak, a prófétáknak.
8 Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan’ ny anjely mitsangana eo ambonin’ ny ranomasina sy eo ambonin’ ny tany.
És a szózat, amit az égből hallottam, ismét szólt hozzám és ezt mondta: „Menj el és vedd át azt a nyitott könyvecskét, amely a tengeren és a földön álló angyal kezében van“.
9 Dia nankany amin’ ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
Elmentem azért az angyalhoz és ezt mondtam neki: „Add át nekem a könyvecskét“. És ő ezt mondta nekem: „Vedd át és edd meg. Gyomrodat megkeseríti ugyan, de szádban édes lesz, mint a méz“.
10 Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan’ ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
Átvettem azért a könyvecskét az angyal kezéből és megettem. Számban olyan édes volt, mint a méz, de amikor lenyeltem, gyomrom keserű lett tőle.
11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin’ ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.
Aztán ez a szó hangzott felém: „Ismét prófétálnod kell sok nép és nemzet és nyelvek és királyok felől“.