< Apokalypsy 1 >

1 Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
La Révélation de Jésus Christ, que Dieu lui a donnée pour découvrir à ses serviteurs les choses qui doivent arriver bientôt, et qui les a fait connaître en les envoyant par son Ange à Jean son serviteur;
2 Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
Qui a annoncé la parole de Dieu, et le témoignage de Jésus-Christ, et toutes les choses qu'il a vues.
3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
Bienheureux est celui qui lit, et ceux qui écoutent les paroles de cette prophétie, et qui gardent les choses qui y sont écrites: car le temps est proche.
4 Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
Jean aux sept Eglises qui sont en Asie, que la grâce et la paix vous soient données de la part de celui QUI EST, QUI ÉTAIT, et QUI EST A VENIR, et de la part des sept Esprits qui sont devant son trône.
5 ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
Et de la part de Jésus-Christ, qui est le témoin fidèle, le premier-né d'entre les morts, et le Prince des Rois de la terre.
6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray, ― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
A lui [dis-je], qui nous a aimés, et qui nous a lavés de nos péchés dans son sang, et nous a faits Rois et Sacrificateurs à Dieu son Père, à lui [soit] la gloire et la force aux siècles des siècles, Amen! (aiōn g165)
7 Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Eny, Amena.
Voici il vient avec les nuées, et tout œil le verra, et ceux même qui l'ont percé; et toutes les Tribus de la terre se lamenteront devant lui; oui, Amen!
8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
Je suis l'Alpha et l'Oméga, le commencement et la fin, dit le Seigneur, QUI EST, QUI ÉTAIT, et QUI EST A VENIR, le Tout-Puissant.
9 Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
Moi Jean, [qui suis] aussi votre frère et qui participe à l'affliction, au règne, et à la patience de Jésus-Christ, j'étais en l'île appelée Patmos pour la parole de Dieu, et pour le témoignage de Jésus-Christ.
10 Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,
Or je fus [ravi] en esprit un jour de Dimanche, et j'entendis derrière moi une grande voix, comme [est le son] d'une trompette,
11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
Qui disait: Je suis l'Alpha et l'Oméga, le premier et le dernier: Ecris dans un livre ce que tu vois, et envoie-le aux sept Eglises qui sont en Asie; [savoir] à Ephèse, à Smyrne, à Pergame, à Thyatire, à Sardes, à Philadelphie, et à Laodicée.
12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
Alors je me tournai pour voir [celui dont] la voix m'avait parlé, et m'étant tourné, je vis sept chandeliers d'or;
13 ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
Et au milieu des sept chandeliers d'or un [personnage] semblable à un homme, vêtu d'une longue robe, et ceint d'une ceinture d'or à l'endroit des mamelles.
14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
Sa tête et ses cheveux [étaient] blancs comme de la laine blanche, et comme de la neige, et ses yeux [étaient] comme une flamme de feu.
15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.
Ses pieds [étaient] semblables à de l'airain très-luisant, comme s'ils eussent été embrasés dans une fournaise; et sa voix était comme le bruit des grosses eaux.
16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
Et il avait en sa main droite sept étoiles, et de sa bouche sortait une épée aiguë à deux tranchants, et son visage était semblable au soleil, quand il luit en sa force.
17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
Et lorsque je l'eus vu, je tombai à ses pieds comme mort, et il mit sa main droite sur moi, en me disant: ne crains point, je suis le premier, et le dernier;
18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. (aiōn g165, Hadēs g86)
Et je vis, mais j'ai été mort, et voici, je suis vivant aux siècles des siècles, Amen! Et je tiens les clefs de l'enfer et de la mort. (aiōn g165, Hadēs g86)
19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
Ecris les choses que tu as vues, celles qui sont [présentement], et celles qui doivent arriver ensuite.
20 dia ny zava-miafina ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.
Le mystère des sept étoiles que tu as vues en ma main droite, et les sept chandeliers d'or. Les sept étoiles sont les Anges des sept Eglises; et les sept chandeliers que tu as vus sont les sept Eglises.

< Apokalypsy 1 >