< Salamo 99 >

1 Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.
耶和华作王;万民当战抖! 他坐在二基路伯上,地当动摇。
2 Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy.
耶和华在锡安为大; 他超乎万民之上。
3 Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah.
他们当称赞他大而可畏的名; 他本为圣!
4 Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
王有能力,喜爱公平,坚立公正, 在雅各中施行公平和公义。
5 Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy.
你们当尊崇耶和华—我们的 神, 在他脚凳前下拜。 他本为圣!
6 Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy.
在他的祭司中有摩西和亚伦; 在求告他名的人中有撒母耳。 他们求告耶和华,他就应允他们。
7 Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy.
他在云柱中对他们说话; 他们遵守他的法度和他所赐给他们的律例。
8 Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.
耶和华—我们的 神啊,你应允他们; 你是赦免他们的 神, 却按他们所行的报应他们。
9 Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.
你们要尊崇耶和华—我们的 神, 在他的圣山下拜, 因为耶和华—我们的 神本为圣!

< Salamo 99 >