< Salamo 98 >

1 Fihirana.
Psaume à David (de David) lui-même.
2 Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
Le Seigneur a fait connaître son salut: en présence des nations, il a révélé sa justice.
3 Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
Il s’est souvenu de sa miséricorde et de sa vérité en faveur de la maison d’Israël.
4 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
Poussez des cris de joie vers Dieu, ô terre toute entière, chantez, et exultez, et jouez du psaltérion.
5 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga, Dia amin’ ny lokanga sy ny feo fihirana,
Chantez le Seigneur sur une harpe; sur une harpe, en y mêlant un chant de psaume;
6 Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka.
Sur des trompettes battues au marteau, et au son d’une trompette de corne.
7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Que la mer soit agitée et sa plénitude, de même que le globe des terres et ceux qui y habitent.
8 Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
Les fleuves applaudiront de la main, comme aussi les montagnes exulteront
9 Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.
À la présence du Seigneur, parce qu’il vient juger la terre.

< Salamo 98 >