< Salamo 97 >

1 Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
Bwana anatawala, nchi na ifurahi, visiwa vyote vishangilie.
2 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
Mawingu na giza nene vinamzunguka, haki na hukumu ndio msingi wa kiti chake cha enzi.
3 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
Moto hutangulia mbele zake na huteketeza adui zake pande zote.
4 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
Umeme wake wa radi humulika dunia, nchi huona na kutetemeka.
5 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Milima huyeyuka kama nta mbele za Bwana, mbele za Bwana wa dunia yote.
6 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
Mbingu zinatangaza haki yake, na mataifa yote huona utukufu wake.
7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
Wote waabuduo sanamu waaibishwa, wale wajisifiao sanamu: mwabuduni yeye, enyi miungu yote!
8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
Sayuni husikia na kushangilia, vijiji vya Yuda vinafurahi kwa sababu ya hukumu zako, Ee Bwana.
9 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao.
Kwa kuwa wewe, Ee Bwana, ndiwe Uliye Juu Sana kuliko dunia yote; umetukuka sana juu ya miungu yote.
10 Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Wale wanaompenda Bwana na wauchukie uovu, kwa maana yeye hulinda maisha ya waaminifu wake na kuwaokoa kutoka mkononi mwa mwovu.
11 Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.
Nuru huangaza wenye haki na furaha kwa watu wanyofu wa moyo.
12 Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.
Furahini katika Bwana, ninyi mlio wenye haki, lisifuni jina lake takatifu.

< Salamo 97 >