< Salamo 97 >

1 Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
上主為王,願大地踴躍,無數島嶼,也都要歡樂!
2 Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
雲彩和黑暗包圍在祂的四週,正義與公道支持祂的座位。
3 Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
烈火在祂前面先行,焚燒祂四周的敵人。
4 Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
祂的閃電照亮塵寰,大地一見就戰慄搖搣。
5 Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
面對上主普世的主宰,大山要像蠟燭一般溶解。
6 Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
蒼天宣揚祂的公道,萬民目睹祂的光耀。
7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
願所有拜偶像,以邪神自誇人受辱,願所有的神祗,都俯伏在祂面前叩首。
8 Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
上主,因您的宣判,熙雍聽見了便笑,猶大各城高興歡躍。
9 Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao.
上主,您在普天下是最尊貴的,您在眾神中是最崇高的。
10 Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.
上主喜愛那惱恨罪惡的人,保護虔誠人們的生命,從惡人手中拯救他們。
11 Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.
光明已升起照耀義人,賜喜樂於人地正直的人。
12 Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.
義人,請因上主而歡欣,請您們讚美祂的聖名。

< Salamo 97 >