< Salamo 94 >

1 Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.
E KE Akua nona ka hoopai ana, e Iehova; E ke Akua nona ka hoopai ana, e hoomalamalama mai.
2 Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona.
E ku mai hoi oe, e ka lunakanawai o ka honua; E hoopai oe i ka poe hookiekie.
3 Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy?
Pehea la ka loihi, e Iehova, o ka poe hewa? Pehea la ka loihi o ka akola ana mai o ka poe hewa?
4 Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra.
Pane mai no lakou me ka olelo iho i na mea howa, Kaena wale ka poe hana hewa a pau.
5 Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny;
Ua paopao mai no lakou i kou poo kanaka, e Iehova. A ua hookaumaha hoi i kou hooilina.
6 Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny
Pepehi no lakou i ka wahinekanemake, a me ka malihini, A ulupa hoi i na keiki makua ole.
7 Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr’ i Jakoba.
Olelo no hoi lakou, Aole e ike mai o Iehova, Aole e manao mai ke Akua o Iakoba.
8 Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
E hoomaopopo oukou, e ka poe manao ole iwaena o na kanaka; O oukou hoi ka poe naaupo, Pehea la ka loihi a lilo oukou i poe naauao?
9 Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita?
O ka mea i hana mai i ka pepeiao, Aole anei e lohe mai ia? O ka mea i hooponopono i ka maka, Aole anei oia e ike mai?
10 Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona?
O ka mea hahau i ko na aina e, Aole auei oia e hoopai mai? O ka mea hoi i ao mai i kanaka i ka ike?
11 Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany.
Ua ike mai no o Iehova i ka manao o kanaka, He lapuwale ia.
12 Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin’ ny lalanao,
Pomaikai ke kanaka au e ao mai ai, e Iehova, A hoonaauao hoi ma kou kanawai;
13 Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.
I hoomaha'i oe ia ia mai na la o ka ino, A eliia ka lua no ka poe hewa.
14 Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny.
Aole haalele o Iehova i kona poe kanaka, Aole hoi e kuu wale aku i kona hooilina iho.
15 Fa ny fitsarana hiverina ho amin’ ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra
E hiki hou mai no ka hooponopono ana ma ka pololei; A malaila no e hahai aku ai ka poe a pau i pono ma ka naau.
16 Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka?
Owai la ka mea e ala mai no'u e ku e i ka poe hewa? Owai hoi ka mea e ku mai iluna nou, e ku e i ka poe lawehala?
17 Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin’ ny mangingina ny fanahiko.
Ina aole o Iehova i kokua mai ia'u, Ina ua kokoke e noho kuu uhane ma kahi ekemu ole.
18 Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy.
Ia'u i olelo ai, Ua pahee ko'u wawae. Alaila, na kou lokomaikai, e Iehova, i hooikaika ia'u.
19 Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.
I ka nui loa o ko'u mau manao iloko o'u, O kou aloha ka mea e hoohauoli ai i ko'u uhane.
20 Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
E kukakuka pa anei ka nohoalii o ka hewa me oe? Ka mea hoi i hana i ke kolohe ma ke kanawai?
21 Manao andiany hamely ny fanahin’ ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina.
Alu mai la lakou i ka uhane o ka poe pono, A hoohewa lakou i ke koko hala ole.
22 Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro.
O Iehova no ko'u wahi kiekie, a me ko'u Akua, O ko'u pohaku puuhonua hoi.
23 Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan’ i Jehovah Andriamanitsika izy.
E hoopai mai oia i ko lakou hewa maluna o lakou, A e hooki hoi oia ia lakou maloko o ko lakou hewa; Na Iehova, ko kakou Akua, e hooki ia lakou.

< Salamo 94 >