< Salamo 93 >

1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
Bwana anatawala, amejivika utukufu; Bwana amejivika utukufu tena amejivika nguvu. Dunia imewekwa imara, haitaondoshwa.
2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
Kiti chako cha enzi kimekuwa thabiti tangu zamani; wewe umekuwako tangu milele.
3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
Bahari zimeinua, Ee Bwana, bahari zimeinua sauti zake; bahari zimeinua sauti za mawimbi yake.
4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.
Yeye ni mkuu kuliko ngurumo ya maji makuu, ni mkuu kuliko mawimbi ya bahari: Bwana aishiye juu sana ni mkuu.
5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
Ee Bwana, sheria zako ni imara; utakatifu umepamba nyumba yako pasipo mwisho.

< Salamo 93 >