< Salamo 93 >

1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
The LORD reigns! He is clothed with majesty! The LORD is armed with strength. The world also is established. It can’t be moved.
2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
Your throne is established from long ago. You are from everlasting.
3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
The floods have lifted up, LORD, the floods have lifted up their voice. The floods lift up their waves.
4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.
Above the voices of many waters, the mighty breakers of the sea, the LORD on high is mighty.
5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
Your statutes stand firm. Holiness adorns your house, LORD, forever more.

< Salamo 93 >