< Salamo 92 >
1 Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Zaburi. Wimbo wa siku ya Sabato. Ni vyema kumshukuru Bwana na kuliimbia jina lako, Ee Uliye Juu Sana,
2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
kuutangaza upendo wako asubuhi, na uaminifu wako wakati wa usiku,
3 Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
kwa zeze yenye nyuzi kumi na kwa sauti ya kinubi.
4 Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
Ee Bwana, kwa kuwa matendo yako yamenifurahisha, nitaziimba kwa shangwe kazi za mikono yako.
5 Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
Ee Bwana, tazama jinsi yalivyo makuu matendo yako, tazama jinsi yalivyo ya kina mawazo yako!
6 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
Mjinga hafahamu, mpumbavu haelewi,
7 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
ingawa waovu huchipua kama majani na wote watendao mabaya wanastawi, wataangamizwa milele.
8 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
Bali wewe, Ee Bwana, utatukuzwa milele.
9 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
Ee Bwana, hakika adui zako, hakika adui zako wataangamia. Wote watendao mabaya watatawanyika.
10 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
Umeitukuza pembe yangu kama ile ya nyati dume, mafuta mazuri yamemiminwa juu yangu.
11 Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
Macho yangu yamewaona adui zangu wakishindwa, masikio yangu yamesikia maangamizi ya adui zangu waovu.
12 Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
Wenye haki watastawi kama mtende, watakuwa kama mwerezi wa Lebanoni,
13 Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
waliopandwa katika nyumba ya Bwana, watastawi katika nyua za Mungu wetu.
14 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
Wakati wa uzee watakuwa bado wanazaa matunda, watakuwa wabichi tena wamejaa nguvu,
15 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
wakitangaza, “Bwana ni mkamilifu; yeye ni Mwamba wangu, na ndani yake hamna uovu.”