< Salamo 92 >

1 Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’ i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Psalm in pesem, v sobote dan. Dobro je slaviti Gospoda, in prepevati tvojemu imenu, o Najvišji!
2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
Oznanjati vsako jutro milost tvojo, in zvestobo tvojo vsako noč;
3 Amin’ ny valiha tory folo Sy amin’ ny feon-dokanga.
Na desetostrunje in na brenklje, na strune s premišljevanjem.
4 Fa ampifalinao amin’ ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ ny tananao no hihobiako.
Ker razveseljuješ me, Gospod, z delom svojim; prepeval bodem o dejanjih tvojih rôk.
5 Jehovah ô, akory ny halehiben’ ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
Kako velika so dela tvoja, Gospod; silno globoke so misli tvoje!
6 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
Mož neumen ne spozna, in nespameten ne zapazi tega,
7 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
Ko poganjajo krivični kakor trava in cvetó vsi, ki delajo krivico, zgodi se, da se pogubé vekomaj.
8 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
Ti pa, o Najvišji, si vekomaj.
9 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
Ker glej, sovražniki tvoji, Gospod, ker glej, sovražniki tvoji ginejo; razkropé se vsi, ki delajo krivico.
10 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
Rog moj pa zvišuješ kakor samorogov, oblivajoč me z oljem prisnim.
11 Ary faly ny masoko mahita ny amin’ ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
To gleda oko moje na zalezovalcih mojih, ušesa moja poslušajo o njih, ki se spenjajo v mé.
12 Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
Kakor palma bode zelenel pravični, kakor cedra na Libanu bode rasel.
13 Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
Vsajeni v hiši Gospodovi, v vežah Boga našega bodo poganjali mladike.
14 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
V obilosti bodejo živeli še v sivosti, debeli bodejo in zeleneči;
15 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
In oznanjali, da je pravičen Gospod, skala moja, in da ni nobene krivice v njem.

< Salamo 92 >