< Salamo 91 >
1 Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
いと高き者のもとにある隠れ場に住む人、全能者の陰にやどる人は
2 Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
主に言うであろう、「わが避け所、わが城、わが信頼しまつるわが神」と。
3 Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
主はあなたをかりゅうどのわなと、恐ろしい疫病から助け出されるからである。
4 Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
主はその羽をもって、あなたをおおわれる。あなたはその翼の下に避け所を得るであろう。そのまことは大盾、また小盾である。
5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
あなたは夜の恐ろしい物をも、昼に飛んでくる矢をも恐れることはない。
6 Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
また暗やみに歩きまわる疫病をも、真昼に荒す滅びをも恐れることはない。
7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
たとい千人はあなたのかたわらに倒れ、万人はあなたの右に倒れても、その災はあなたに近づくことはない。
8 Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
あなたはただ、その目をもって見、悪しき者の報いを見るだけである。
9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
あなたは主を避け所とし、いと高き者をすまいとしたので、
10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
災はあなたに臨まず、悩みはあなたの天幕に近づくことはない。
11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.
これは主があなたのために天使たちに命じて、あなたの歩むすべての道であなたを守らせられるからである。
12 Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
彼らはその手で、あなたをささえ、石に足を打ちつけることのないようにする。
13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
あなたはししと、まむしとを踏み、若いししと、へびとを足の下に踏みにじるであろう。
14 Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
彼はわたしを愛して離れないゆえに、わたしは彼を助けよう。彼はわが名を知るゆえに、わたしは彼を守る。
15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
彼がわたしを呼ぶとき、わたしは彼に答える。わたしは彼の悩みのときに、共にいて、彼を救い、彼に光栄を与えよう。
16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
わたしは長寿をもって彼を満ち足らせ、わが救を彼に示すであろう。