< Salamo 90 >

1 Fivavak’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra.
Maombi ya Mose, mtu wa Mungu. Bwana, wewe umekuwa makao yetu katika vizazi vyote.
2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Kabla ya kuzaliwa milima au hujaumba dunia na ulimwengu, wewe ni Mungu tangu milele hata milele.
3 Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
Huwarudisha watu mavumbini, ukisema, “Rudini mavumbini, enyi wanadamu.”
4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
Kwa maana kwako miaka elfu ni kama siku moja iliyokwisha pita, au kama kesha la usiku.
5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
Unawatowesha wanadamu katika usingizi wa kifo, nao ni kama majani machanga ya asubuhi:
6 Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
ingawa asubuhi yanachipua, ifikapo jioni huwa yamenyauka na kukauka.
7 Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
Tumeangamizwa kwa hasira yako na tumetishwa kwa ghadhabu yako.
8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
Umeyaweka maovu yetu mbele yako, dhambi zetu za siri katika nuru ya uwepo wako.
9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
Tumeishi siku zetu zote chini ya ghadhabu yako, tunamaliza miaka yetu kwa kuomboleza.
10 Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
Siku zetu za kuishi ni miaka sabini, au miaka themanini ikiwa tuna nguvu, lakini yote ni ya shida na taabu, nazo zapita haraka, nasi twatoweka.
11 Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
Ni nani ajuaye nguvu za hasira yako? Kwa maana ghadhabu yako ni kubwa kama hofu tunayopaswa kuwa nayo kwako.
12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
Tufundishe kuzihesabu siku zetu vizuri, ili tujipatie moyo wa hekima.
13 Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
Ee Bwana, uwe na huruma! Utakawia hata lini? Wahurumie watumishi wako.
14 Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
Tushibishe asubuhi kwa upendo wako usiokoma, ili tuweze kuimba kwa shangwe na kufurahi siku zetu zote.
15 Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
Utufurahishe kulingana na siku ulizotuadhibu, kulingana na miaka tuliyotaabika.
16 Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
Matendo yako na yaonekane kwa watumishi wako, utukufu wako kwa watoto wao.
17 Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.
Wema wa Bwana Mungu wetu uwe juu yetu; uzithibitishe kazi za mikono yetu: naam, uzithibitishe kazi za mikono yetu.

< Salamo 90 >