< Salamo 89 >

1 Maskila nataon’ i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao.
Esrahini Etan ɔhaw ne amanehunu dwom. Mɛto Awurade adɔeɛ ho dwom daa daa; mede mʼano bɛda wo nokorɛdie adi awoɔ ntoatoasoɔ nyinaa mu.
2 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Mɛka sɛ wʼadɔeɛ no tim hɔ daa nyinaa, na watim wo nokorɛdie wɔ ɔsoro hɔ ankasa.
3 “Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe:
Wokaa sɛ, “Me ne onipa a mayi no no ayɛ apam; maka ntam akyerɛ me ɔsomfoɔ Dawid.
4 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” (Sela)
‘Mɛma wʼase atim hɔ daa na wʼahennwa nso atim wɔ awoɔ ntoantoasoɔ nyinaa mu.’”
5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
Ao Awurade, ɔsorosorofoɔ kamfo wʼanwanwadeɛ, na wo nokorɛdie nso, wɔkamfo wɔ ahotefoɔ asafo mu.
6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah,
Na hwan na ɔne wo Awurade sɛ wɔ ɔsoro hɔ? Hwan na ɔte sɛ Awurade wɔ ɔsoro abɔdeɛ mu?
7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy?
Akronkronfoɔ agyinatufoɔ mu, wosuro Onyankopɔn; wɔde suro ma no sene wɔn a wotwa ne ho hyia nyinaa.
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
Ao Otumfoɔ Awurade Onyankopɔn, hwan na ɔte sɛ woɔ? Ao Awurade woyɛ kɛseɛ na wo nokorɛdie atwa wo ho ahyia.
9 Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
Wodi ɛpo a ɛreworo soɔ so; nʼasorɔkye bobɔ kɔ ɔsoro a, wobrɛ no ase.
10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
Wodwerɛɛ Rahab sɛ atɔfoɔ no mu baako; wode wo basa denden no bɔɔ wʼatamfoɔ pansameeɛ.
11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
Ɔsoro wɔ wo, na asase nso wɔ wo; ewiase ne deɛ ɛwɔ mu nyinaa, wo na wohyɛɛ aseɛ.
12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
Wobɔɔ atifi ne anafoɔ. Tabor ne Hermon de ahosɛpɛ to dwom ma wo din.
13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Tumi ayɛ wo basa ma; wo nsam wɔ ahoɔden, wama wo nsa nifa so.
14 Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Wʼahennwa no fapem yɛ tenenee ne atɛntenenee; adɔeɛ ne nokorɛdie di wʼanim.
15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
Nhyira nka wɔn a wɔasua sɛdeɛ wɔbɔ wo abɔdin, wɔn a wɔnante wʼanim hann no mu, Ao Awurade.
16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
Wɔgye wɔn ani wɔ wo din mu da mu nyinaa; wɔdi ahurisie wɔ wo tenenee mu.
17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
Wone wɔn animuonyam ne ahoɔden, na wʼadom enti yɛyɛ nkonimdifoɔ.
18 Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay.
Ampa ara, yɛn banbɔ firi Awurade hɔ, na Israel Kronkronni no ama yɛn Ɔhene.
19 Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
Ɛda bi wokasaa wɔ anisoadehunu mu, kyerɛɛ wʼahotefoɔ sɛ, “Madom ɔkofoni bi ahoɔden; mapagya aberanteɛ bi afiri nnipa no mu.
20 Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
Mahunu Dawid, me ɔsomfoɔ; mede me ngo kronkron no asra no.
21 Izy no homban’ ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
Me nsa bɛwowa no; ampa ara mʼabasa bɛhyɛ no den.
22 Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
Ɔtamfoɔ biara renhyɛ no sɛ ɔntua toɔ; omumuyɛfoɔ biara rentumi nhyɛ ne so.
23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
Mɛdwerɛ nʼatamfoɔ wɔ nʼanim na mabobɔ nʼahohiahiafoɔ ahwe fam.
24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony.
Me nokorɛ adɔeɛ bɛka ne ho, na me din mu, wɔbɛma nʼabɛn so.
25 Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
Mɛtrɛ nʼahyeɛ mu akɔsi ɛpo so, na ɔde ne nsa nifa bɛto nsubɔntene so.
26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
Ɔbɛfrɛ me aka sɛ, ‘Wone mʼagya, me Onyankopɔn, me nkwagyeɛ botan.’
27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
Mɛyɛ no mʼabakan, asase so ahene nyinaa no mu ɔkɛseɛ.
28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
Mɛma mʼadɔeɛ a mewɔ ma no no atena hɔ daa, na apam a me ne no ayɛ nso bɛtena hɔ daa.
29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
Mɛma nʼase atim afebɔɔ, nʼahennwa nso bɛtim hɔ akɔsi sɛ ɔsoro bɛtwam.
30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
“Sɛ ne mmammarima po me mmara na sɛ wɔanni mʼahyɛdeɛ so,
31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
sɛ wɔbu mʼahyɛdeɛ so na sɛ wɔanni me ɔhyɛ nsɛm so a,
32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
ɛno deɛ, mede abaa bɛtwe wɔn aso wɔ wɔn bɔne ho na wɔn amumuyɛ nso mede mmaatwa atwe wɔn aso;
33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
Nanso, merennyae mʼadɔeɛ a meyɛ ma noɔ no na mɛkɔ so adi no nokorɛ.
34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.
Meremmu mʼapam no so na merensesa deɛ mede mʼano aka no.
35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:
Menam me din kronkron no so aka ntam prɛko, na merentwa Dawid atorɔ da.
36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
Meremma nʼase ntɔre da na nʼahennwa nso bɛtim wɔ mʼanim te sɛ owia;
37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. (Sela)
ɛbɛtim hɔ daa te sɛ ɔsrane, ɔdansefoɔ nokwafoɔ a ɔwɔ ewiem no.”
38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
Nanso woapo no, woapa nʼakyi wo bo afu deɛ woasra no ngo no.
39 Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
Woagu apam a wo ne wo ɔsomfoɔ pameeɛ no woagu nʼahenkyɛ ho fi wɔ mfuturo mu.
40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
Woabubu nʼafasuo nyinaa ama nʼabandenden adane mmubuiɛ.
41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
Wɔn a wɔtwam wɔ hɔ nyinaa fom no fa; na wayɛ aniwudeɛ ama ne mfɛfoɔ.
42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
Woama nʼatamfoɔ nsa nifa so; ama wɔn nyinaa di ahurisie.
43 Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
Woama nʼakofena ayɛ ɔkwa, na woannyina nʼakyi wɔ ɔko mu.
44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany.
Wode nʼanimuonyam aba awieeɛ na woato nʼahennwa atwene fam.
45 Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. (Sela)
Woatwa ne mmeranteberɛ nna so na wode animguaseɛ ngugusoɔ akata ne so.
46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
Ao Awurade, ɛnkɔsi da bɛn? Wode wo ho bɛhinta afebɔɔ anaa? Wʼabofuhyeɛ bɛkɔ so adɛre akɔsi da bɛn?
47 Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
Kae sɛdeɛ me nkwa nna twam ntɛm so. Ɛfiri sɛ woabɔ yɛn nyinaa sɛ adeɛ a ɛtwa mu ntɛm so!
48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? (Sela) (Sheol h7585)
Hwan na ɔbɛtena ase a ɔrenwu da? Anaasɛ hwan na ɔbɛtumi agye ne ho afiri owuo tumi nsam? (Sheol h7585)
49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
Ao Awurade, ɛhe na wo tete adɔeɛ kɛseɛ no wɔ, deɛ wofiri wo nokorɛdie mu de kaa ntam kyerɛɛ Dawid no?
50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra,
Awurade kae sɛdeɛ wɔadi wo ɔsomfoɔ ho fɛ ne sɛdeɛ manya akoma ama amanaman no akutiabɔ.
51 Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
Ao Awurade, akutiabɔ a wʼatamfoɔ de adi fɛw, de adi deɛ woasra no ngo no anammɔntuo biara ho fɛw.
52 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
Ayɛyie nka Awurade daa!

< Salamo 89 >