< Salamo 89 >

1 Maskila nataon’ i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon’ i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran’ ny vavako ny fahamarinanao.
Nitimba sifa za matendo ya uaminifu wa agano milele. Nitatangaza kweli yako kwa vizazi vijavyo.
2 Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Maana nimesema, “Uaminifu wa agano umeimarishwa milele; na kweli yako umeiimarisha mbinguni.”
3 “Efa nanao fanekena tamin’ ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin’ i Davida mpanompoko Aho hoe:
“Nimefanya agano na wateule wangu, nimeapa kiapo kwa Daudi mtumishi wangu.
4 Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin’ ny taranaka fara mandimby.” (Sela)
Nitauimarisha uzao wako milele, na nitauimarisha utawala wako vizazi vyote.” (Selah)
5 Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
Mbingu husifu maajabu yako, Yahwe; kweli yako inasifiwa katika kusanyiko la watakatifu.
6 Fa iza any an-danitra no mitovy amin’ i Jehovah? Ary iza amin’ ny zanak’ ireo andriamanitra no manahaka an’ i Jehovah,
Maana ni nani katika mbingu aweza kulinganishwa na Yahwe? Ambaye kati ya wana wa miungu ni kama Yahwe?
7 Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ ny fiangonan’ ny olo-masiny Ary hajain’ izay rehetra manodidina Azy?
Ni Mungu anaye heshimiwa sana katika baraza la watakatifu naye ni wakutisha kati ya wote wanao mzunguka.
8 Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
Yahwe, Mungu wa majeshi, ni nani aliye na nguvu kama wewe, Yahwe? Kweli yako inakuzunguka.
9 Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
Wewe huitawala bahari yenye nguvu; mawimbi yainukapo, wewe huyatuliza.
10 Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
Ulimwangamiza Rahabu kama mmoja aliye uliwa. Uliwatawanya adui zako kwa mkono wako wenye nguvu.
11 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
Mbingu ni zako wewe, na nchi pia. Uliiumba dunia na vyote vilivyomo.
12 Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
Uliumba kaskazini na kusini. Tabori na Hermoni hulifurahia jina lako.
13 Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
una mkono wa uweza na mkono wenye nguvu, na mkono wako wa kuume uko juu.
14 Rariny sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
Haki na hukumu ni msingi wa kiti chako. Uaminifu wa agano lako na uaminifu huja mbele zako.
15 Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin’ ny fahazavan’ ny tavanao no handehanany.
Wamebarikiwa watu wakuabuduo wewe! Yahwe, wanatembea katika nuru ya uso wako.
16 Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
Siku zote wanafurahia katika jina lako, na katika haki yako wanakutukuza wewe.
17 Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin’ ny fankasitrahanao no hisandratan’ ny tandrokay.
Wewe ni fahari ya nguvu zao, na kwa nguvu zako tu washindi.
18 Fa an’ i Jehovah ny ampinganay; Ary an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely ny mpanjakanay.
Maana ngao zetu ni za kwako Yahwe; mfalme wetu ni wa Mtakatifu wa Israeli.
19 Tamin’ izany ny olonao masìna dia nilazanao tamin’ ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin’ izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin’ ny olona.
Muda mrefu uliopita ulizungumza na waaminfu wako katika maono; ulisema, “Nimeweka taji juu ya mwenye nguvu; nimemuinua aliyechaguliwa kutoka kati ya watu.
20 Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
Nimemchagua Daudi mtumishi wangu; kwa mafuta yangu matakatifu nimempaka yeye.
21 Izy no homban’ ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
Mkono wangu utamsaidia yeye; mkono wangu utamtia nguvu.
22 Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.
Hakuna adui atakaye mdanganya; hakuna mwana wa uovu atakaye muonea.
23 Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan’ ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
Nitawaangamiza adui zake mbele yake; nitawaua wale wamchukiao.
24 Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan’ ny tandrony.
Kweli yangu na uaminifu wa agano vitakuwa pamoja naye; kupitia jina langu atakuwa mshindi.
25 Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
Nitaweka mkono wake juu ya bahari na mkono wake wa kuume juu ya mito.
26 Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
Yeye ataniita, 'Wewe ni Baba yangu, Mungu wangu, na mwamba wa wokovu wangu.'
27 Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin’ ny mpanjakan’ ny tany.
Nitamjalia kuwa kama mzaliwa wangu wa kwanza, aliye inuliwa zaidi juu ya wafalme wa nchi.
28 Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
Nitaongeza uaminifu wa agano langu kwake milele; na agano langu pamoja naye litakuwa salama.
29 Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
Nitaufanya uzao wake kudumu milele na kiti chake cha enzi kitadumu kama mbingu zilizo juu.
30 Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
Ikiwa watoto wake wataziacha sheria zangu na kutokutii amri zangu,
31 Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
na kama watazivunja sheria zangu na kutokuzishika amri zangu,
32 Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
ndipo nitauadhiu uasi wao kwa fimbo na uovu wao kwa makofi.
33 Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
Lakini sitauondoa kwake upendo wangu thabiti wala kutokuwa mwaminifu kwa ahadi yangu.
34 Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain’ ny molotro tsy hovako.
Sitavunja agano langu wala kubadilisha maneno ya midomoni mwangu.
35 Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ ny fahamasinako, Tsy handainga amin’ i Davida mihitsy Aho:
Mara moja na kwa yote, nimeapa kwa utakatifu wangu sitamdanganya Daudi:
36 Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
uzao wake utaendelea milele na kiti chake cha enzi kama vile jua mbele yangu.
37 Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. (Sela)
Kitaimarishwa milele kama mwezi, shahidi mwaminifu mawinguni.” (Selah)
38 Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin’ ny voahosotrao Hianao.
Lakini wewe umemtupa na kumkataa; umemkasirikia mfalme mpakwa mafuta wako.
39 Efa nahafoana ny fanekena tamin’ ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
Wewe umelikataa agano la mtumishi wako. Umeinajisi taji yake ardhini.
40 Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
Umevunja kuta zake zote. Umeharibu ngome yake.
41 Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan’ ny mpiray monina aminy izy.
Wapita njia wote wamemuibia, amekuwa kitu chenye kinyaa kwa majirani zake.
42 Efa nampisandratra ny tanana ankavanan’ ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
Umeinua mkono wa kuume wa adui zake; umewafurahisha adui zake wote.
43 Efa nampihemotra ny lelan’ ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin’ ny ady.
Umeyageuza makali ya upanga wake. Na hukumfanya asimame awapo vitani.
44 Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin’ ny tany.
Umeimaliza fahari yake; umekitupa ardhini kiti chake cha enzi.
45 Efa nahafohy ny andron’ ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy. (Sela)
Umefupisha siku za ujana wake. Umemfunika kwa aibu. (Selah)
46 Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
Mpaka lini, Yahwe? utajificha, milele? Mpaka lini hasira yako itawaka kama moto?
47 Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
Oh, fikiria jinsi muda wangu ulivyo mfupi, na ni kwa ajili gani umewaumba wana wote wa wanadamu wasio na manufaa!
48 Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? (Sela) (Sheol h7585)
Ni nani aweza kuishi na asife, au atakaye iokoa nafsi yake dhidi ya mkono wa kuzimu? (Selah) (Sheol h7585)
49 Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
Bwana, yako wapi matendo yako ya zamani ya uaminifu wa agano ambayo ulimwapia Daudi katika kweli yako?
50 Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran’ ny firenena rehetra,
Kumbuka, Bwana, watumishi wako walivyodhihakiwa na vile nilivyo vumilia moyoni mwangu matusi mengi dhidi ya mataifa.
51 Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
Maadui zako wanavurumiza matusi, Yahwe; wanadhihaki nyayo za mpakwa mafuta wako.
52 Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
Atukuzwe Yahwe milele. Amina na Amina. Kitabu cha Nne

< Salamo 89 >