< Salamo 88 >
1 Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Ho an’ ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon’ i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman’ alina no itarainako eo anatrehanao;
A Song, a psalm of the Korahites. To the leader: according to Mahalath Leannoth. A Maskil of Heman the Ezrahite. O Lord my God, I cry for help in the day-time, in the night my cry is before you;
2 Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin’ ny fitarainako ny sofinao;
let my prayer come into your presence, incline your ear to my cry.
3 Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita. (Sheol )
For I am sated with sorrow, my life draws near to Sheol. (Sheol )
4 Natao ho isan’ izay midìna any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
I am counted with those who go down to the pit; without strength am I.
5 Efa nafoy ho any amin’ ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
My home is among the dead, like the slain that lie in the grave, whom you remember no more cut off as they are from your hand.
6 Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin’ ny maizina, dia ao amin’ ny lalina.
In the deepest pit you have put me, in shadows deep and dark.
7 Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko. (Sela)
Your wrath lies heavy upon me, waves of your anger roll over me. (Selah)
8 Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
You have put my friends far from me, you have made them shun me. I am shut in, and cannot escape,
9 Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan’ andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
my eyes are wasted with sorrow. I call on you, Lord, every day, spreading my hands out to you.
10 Haneho fahagagana amin’ ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
For the dead can you work wonders? Can the shades rise again to praise you? (Selah)
11 Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin’ ny fandringanana?
Can your kindness be told in the grave, your faithfulness in the tomb?
12 Ho fantatra ao amin’ ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin’ ny tany fanadinoana?
Can your wonders be known in the darkness, or your help in the land of forgetfulness?
13 Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
I cry for help to you, in the morning my prayer comes before you.
14 Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
Why, O Lord, do you spurn me, and hide your face from me?
15 Ory aho ka efa ho faty hatramin’ ny fahazazako; Raha itambesa-ran’ ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
From my youth I am wretched and dying, I am numbed by the terrors I bear.
16 Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin’ ny fampitahoranao aho;
The fires of your wrath have passed over me, your terrors destroy me,
17 Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
surging around me forever, hemming me in altogether.
18 Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.
Those who love me you put far from me; the dark is my only friend.