< Salamo 87 >

1 Salamo nataon’ ny Koraïta. Tonon-kira.
Um Salmo dos filhos de Coré; uma Canção. Sua fundação está nas montanhas sagradas.
2 Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba.
Yahweh ama os portões de Sião mais do que todas as habitações de Jacob.
3 Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. (Sela)
Coisas gloriosas são ditas sobre você, cidade de Deus. (Selah)
4 Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
Vou registrar Rahab e Babilônia entre aqueles que me reconhecem. Eis, Filístia, Tiro, e também Etiópia: “Este aqui nasceu”.
5 Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
Yes, de Sião será dito: “Esta e aquela nasceu nela”. o próprio Altíssimo a estabelecerá.
6 Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. (Sela)
Yahweh contará, quando ele escrever os povos, “Este aqui nasceu”. (Selah)
7 Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.
Dizem aqueles que cantam e os que dançam, “Todas as minhas molas estão em você”.

< Salamo 87 >